PolitikaSongadim-baovao

VOATONONTONONA TAMINA FISOLOKIANA: Nametra-pialana ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany, Brice Randrianasolo

Telo andro taorian’ny nanendrena azy ho eo amin’ny toeran’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, nametra-pialana Andriamatoa Brice Randrianasolo. Ho fitandroana ny filaminana sy ho tombontsoa ambonin’ny Firenena no anton’izany, raha ny nambarany. Raha tsiahivina, niparitaka be tamin’ny tambajotran-tserasera sosialy sy ny haino aman-jery ny raharaha fisolokiana naha voasaringotra azy tamin’ny 2018, taorian’ny nanendrena azy ny alahady teo.

Omaly tolak’andro no fantatra fa nametra-pialana tsy ho Minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika intsony i Brice Randrianasolo, taorian’ireo resabe momba azy niely tanaty tambajotra sosialy sy tamin’ny Haino aman-jery. Nanaiky ny fisian’ny dosie teny amin’ny fitsarana momba azy ity tomponandraikitra ity, saingy nanamafy fa madio tamin’io raharaha io ny tenany, ary tsy nohelohin’ny Fitsarana. Ho fitandroana ny filaminana sy ny tombontsoan’ny Firenena, araka izany, no anton’izao fametraham-pialana izao, raha ny nambarany. Ho an’ireo izay mbola manaparitaka io raharaha io kosa, nilaza ho efa nametraka fitoriana fiandry izy.

Araka ny loharanom-baovao mari-pototra, efa tsy nanatrika ny Filan-kevitry ny Minisitra sy ny Filan-kevitry ny Governemanta intsony i Brice Randrianasolo, ny alarobia teo. Raha tsiahivina koa, tsy afaka niditra tao amin’ny birao tokony hiasany Andriamatoa Brice Randrianasolo, izay voatendry ho Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, ny alahady teo, na dia efa nahavita ny fifamindram-pahefana tamin’ny Minisitra teo aloha aza, araka ny fanazavana azo avy tamina mpiasa avy eo anivon’ity Minisitera ity ihany. Ny loharanom-baovao hafa indray no nahafantarana fa efa naverina hanao ny asa fampandehanana ny raharaha andavanandro ny Minisitra teo aloha, mandra-pisy ny Minisitra tomponandraikitra vaovao hisolo azy. Araka izany, ny Minisitra teo aloha Fidiniavo Ravokatra aloha no misahana vonjimaika ny raharaha andavandro eo anivon’ity Minisitera ity, raha ny loharanom-baovao mari-pototra azonay hatrany.

Fisolokiana ?

Raha tsiahivina ny tantara, araka ireo vaovao miparitaka amin’ny tambajotra sosialy, sy tamin’ny gazety mpiseho isanandro omaly, dia voalaza ho “Mpisoloky fanta-daza” ity olona vao notendrena ho Minisitra teo aloha ity.  Milaza ny tenany fa Profesora ary mampianatra mahakasika ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, raha ny fanazavan’ireo voasoloky, ny taona 2018. Nanangana fikambanana mihitsy Andriamatoa Brice Randrianasolo nentiny anaovana fisolokiana, ka vola mitentina 250 000Euros no efa lasany  tamin’ireo fikambanana maro nosolokiany tany Frantsa, araka ny voalaza hatrany. Ny Vola izay azony dia lazaina fa entina hampandehanana ny asa sosialy izay ataony, sy hanampiana ny malagasy sahirana. Raha ireo vaovao niparitaka, izay naneho horonantsary fanadihadiana tamin’ny taona 2018, dia efa mibaby trosa amin’ny olona maro ity olona ity. “Mody asehony amin’ireo manana trosa aminy fa manao zavatra ny tenany”, hoy ny fanazavana. Tanora maro ihany koa no voasolokiny tamin’ny filazana fa Maitre de Conférence sy consultant ny tenany, ary nakany hatrany amin’ny 350 000 ariary isan’olona, raha ny fanazavana hatrany.

Fermer