
SamihafaSosialy
AVARADRANO : Fianakaviana 3000 nisitraka « Vatsy tsinjo »
Tsy diso anjara tamin’ny fahazoana ny « Vatsy tsinjo » ny distrikan’Avaradrano. Nahatratra 3000 ireo nisitraka izany. Tafiditra tanteraka amin’ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fiatrehana ny « Hamehana ara-pahasalamana » izao…

Mitohy ny fanampiana ny vahoaka ao anatin’izao « Hamehana ara-pahasalamana » izao. Ho an’i Alasora, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano, dia nahatratra 2000 ireo fianakaviana nisitraka ny « Vatsy tsinjo », izay mbola hitohy anio. Ho an’ny teny .Ambohimanga, naherin’ny 1000 ireo fianakaviana no efa nisitraka ny « Vatsy tsinjo ». Tiana ny manamarika fa tafiditra tanteraka amin’ny fampanantenana nataon’ny Filoha Rajoelina, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, herinandro lasa izay.Isan’ny nanamarika ireo fotoana ireo, ny fisian’ny Zandary nandrindra sy niditra an-tsehatra nanampy ireo mponina tamin’ny fibatana ireo fanampiana. Tonga nanotrona ny fotoana ny avy amin’ny Fikambanana Fitia, ny avy amin’ny distrika sy ny solombavambahoaka sy ireo manampahefana isan-tokony.




