PolitikaSongadim-baovao

FANANGANANA CSB, EPP, LALANA,…: Tsy ho adino amin’ny fampandrosoana intsony i Atsimo Atsinanana

Nanatanteraka fitsidihana tany amin’ny Atsimo Atsinanan’i Madagasikara ny Governemanta Malagasy tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Fitsidihana izay tafiditra indrindra ao anatin’ny hetsika nametrahana ny Asa Avo Mirindra sy ny fotoam-panombohana ny fizaràna lay misy odimoka maharitra, ho an’ny ity Faritra ity. Narahina fivoriana arak’asa tao Vangaindrano izany fitsidihana izany, nifanakalozana momban’ny ezaka atao eo amin’ny fampandrosoana ankapobeny sy ny fiainam-bahoaka.

Mijery ny Malagasy iray manontolo ny Filohan’ny Repoblika amin’ny lafiny fampandrosoana, ary tsy hadinony ny Faritra Atsimo Atsinanana, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly nandritra ny fitsidihany tany an-toerana. Voaray, hoy ny tenany, ny fangatahan’ireo solombavambahoaka momba ny hetahetan’ny Faritra, indrindra eo amin’ny resaka lalana. Nambarany fa manarina ny fahataràna teo aloha ny Fitondram-panjakàna, ka tao anatin’izany no nanazavàny ny maha-zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa, izay mandrakotra sehatra maro, toy ny fametrahana « Centre de Santé de Base » ho an’ny fahasalamam-bahoaka, ny fanorenana « Ecole Primaire Publique » manara-penitra, ho an’ny fanabeazana, ary ho an’ny resaka lalana dia efa mandeha ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy ny Faritra Atsimo Atsinanana amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Ankoatra izay dia hotohizana amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 12 A izany asa izany, ary efa manomana ny fanorenana oniversite sy orinasa lehibe ho an’ny Faritra ny fitondrana ankehitriny, mba hanatsaràna ny lafiny fampianarana sy ny fampananan’asa, araka ny fanazavana hatrany.

Asa Avotra Mirindra

Nomarihin’ny Praiminisitra, nandritra ity diany ity, fa isan’ireo Faritra tena nianjadian’ny olana maro nandritra ny ady tamin’ny valanaretina covid-19 ny Faritra Atsimo Atsinanana ary nisy fiantraikany tamin’ny fiainan’ny mponina izany toe-javatra izany ka nitady vahaolana maika sy ahazoana vokatra maharitra hatrany ny Fitondram-panjakàna. Ohatra amin’izany ny fampananana asa tamin’ny alalan’ny « Asa Avotra Mirindra », fiaraha-miasan’ny ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsôsialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy,  sy ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana ho Lovainjafy, ary ny FID, izay sady manokatra fidiram-bola ho an’ny mponina, no manampy amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Antenaina, hoy ny Praiminisitra, fa hahitan’ny vahoaka tombony izany tetikasa izany satria ny fanampiana azy ireo no tanjona.

Ady amin’ny Tazomoka

Nitondran’ny Praiminisitra fanazavàna ihany koa ny momba ny resaka tazomoka. Araka ny antontan’isa eo am-pelantanana ankehitriny, hoy izy, dia hita fa mbola ambony ny tahan’ny olona tratry ny tazomoka ka ezahina hahatratra hatrany amin’ny 15 tapitrisa any ho any ny isan’ny lay misy odimoka maharitra hozaraina manerana an’i Madagasikara, ary tao Vangaindrano no notanterahina ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy. Tetsy ankilany, nohatsaraina ny fitaovana teo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka izay notolorana fiara fitondràna marary sy « moto », ary nanome toky ny Praiminisitra fa hojerena ny fampitaovana ny distrika sy ny Polisim-pirenena. Ankoatra ireo, nisy koa ny fitsidihana ifotony ny Distrikan’i Vangaindrano, ohatra tamin’izany ny fandalovana tao amin’ny tsenan’ny tanàna, ka namantarana ny zava-misy sy ny olana sedrain’ny mponina.

Fermer