Songadim-baovaoToekarena

FANARENANA NY FIZAHANTANY : Tombanana hisokatra amin’ny Oktobra ny sisintanin’i Madagasikara

Anisan’ny hery lehibe hahafahana manarina ny toekarem-pirenena, indrindra ny sehatry ny fizahantany ny fanokafana ny sisin-tany. Samy resy lahatra amin’izany ny rehetra, isan’izany ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola nihaona tamin’ny Delegasiona malagasy notarihin’ny Filoha any Frantsa ankehitriny. Raha tsiahivina dia anisan’ny fepetra noraisin’ny Fanjakana malagasy ny fanakatonana ny sisin-tany noho ny firongatry ny valanaretina Covid-19. Nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha teo anivon’ny Medef omaly, araka izany, no nanontanian’ny tomponandraikitry iray eo anivon’ny Aéroport de Paris ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara. Novalian’ny Filoha Andry Rajoelina izay fanontaniana izay, ary nambarany fa »raha tsy mirongatra intsony ny valan’aretina Covid-19 sy ireo karazana variant avy amin’ity covid-19 ity dia ny Volana Oktobra 2021 no hisokatra ny sisintany malagasy ». Izany hoe, miankina tanteraka amin’ny zava-misy any amin’ny firenen-kafa, ny fanapahan-kevitra ny amin’ny mety hisokafan’ny sisintanintsika, na tsia.

Ny minisitry ny Fizahantany Randriamandranto Joël kosa tetsy ankilany, dia efa namelabelatra ny paikady fiomanana amin’izay fisokafan’ny sisintany izay. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fanentanana, fametrahana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra, ny fampahafantarana ireo tolotra isankarazany eto amintsika mba hahazoana tsena, ary ny fanaovana Vaksiny.

Hampiroboroboana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa

Tetsy andaniny, nanambara ny Filoha lefitry ny Medef, Patrick Martin, fa maniry ny hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Firenena Malagasy ny Medef ary naneho ny fahavononany hiara-dia amin’i Madagasikara amin’ny fanantanterahana ireo tetikasa fampandrosoana. Tetsy ankilany, nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina fa izao fihaonana izao no fotoana hifampiresahana ireo mety ho lalam-piaraha-miasa ary indrindra maneho ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana hampiroboroboana bebe kokoa ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina.

Tsara ho fantatra fa anisan’ny voaresaka manokana, nandritra ity fihaonana fitadiavana fiaraha-miasa sy fiarahana miombon’antoka ity, ny Tetikasa momba ny fametrahana ny tanàna vaovao Tanamasoandro, ny Angovo, ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, ny Fitaterana ary ny Fizahan-tany. Ny Filoha Andry Rajoelina dia mbola nanamafy teo anivon’ireo mpikambana amin’ny Medef fa  ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ihany no vahaolana entina mampandroso an’i Madagasikara hanatrarana ny fahataran’ny fandrosoana tsy vita hatramin’izay.

Fermer