Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
KIANJA BAREA MAHAMASINA: Hotokanana ny 2 septambra, handray ny lalaon’ny Barea sy Bénin
Efa ela niandrasana. Tonga ny fotoana hitokanana amin’ny fomba ofisialy ny Kianja Barea Mahamasina, taorian’ny asa fanavaozana natao, tao anatin’ny 20 volana. Vita tanteraka ny asa rehetra ankehitriny, ary hotokanana ny Alakamisy 02 Septambra ho avy izao ny Kianja vaovao. Lanonana izay mifanindran-dalana ihany koa amin’ny lalao fifanintsanan’ny Amboara eran-tanin’ny Baolina Kitra, izay hihaonan’ny Barea amin’ny Bénin.
Vita tanteraka ny asa. Feno ny fepetra maha manarapenitra ny Kianja Barea Mahamasina ankehitriny. Araka ny fanazavan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, izay sady talen’ny Tetikasa fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina ihany koa, Gérard Andriamanohisoa, dia naharitra 20 volana katroka ny asa fanamboarana. Ny Alakamisy faha 02 Septambra 2021 izao, araka izany, no voafaritra hitokanana ity Kianja ity. Lanonana izay hifanindran-dalana amin’ny lalao fifanintsanan’ny Amboara eran-tanin’ny Baolina Kitra, izay hihaonan’ny Barea amin’ny Bénin. Nisy ny fampahafantarana ny lamina samihafa mifandraika amin’izany, izay nataon’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly, tamin’ny alalan’ny Talen’ny Kabinetra, Lova Hasinirina Ranoromaro. Nivoitra nandritra izany fa amin’ny 10ora maraina no hisokatra ny vavahady. Maimaimpoana ny fidirana ao anatin’ny Kianja, saingy, tsy maintsy misy kosa ny tapakila manokana fidirana. Raha ny fanazavana dia tsy maintsy mitondra karapanondro ireo izay maka ny tapakila, indrindra amin’ny fotoana hidirana ao amin’ny Kianja. Hisy ny karatra ho an’ny lehibe, ary hisy ny karatra ho an’ny ankizy. Mbola hohazavaina manaraka kosa ny toerana hahafahana maka io tapakila io, araka ny nambara hatrany. Amin’ny 2ora tolak’andro kosa ny fahatongavan’ny vahiny nasaina rehetra, ary amin’ny 3ora sy 10 minitra no hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny fotoana. Manomboka amin’ny 3ora sy sasany ka hatramin’ny 5ora sy sasany tolakandro kosa ny seho ara-javakanto isankarazany hiarahana amin’ireo mpanakanto maro.
Hisy fiara mpitatitra hiasa hatrany
Manomboka amin’ny 7ora hariva ny fanombohan’ny lalao hihaonan’ny Barea sy Bénin, izay hifarana amin’ny 9ora alina. Aorian’ny lalao dia hisy ny afomanga lehibe eo amin’ny Kianja ihany. Raha ny fanazavana hatrany dia azo hatao ny mitondra sakafo amin’io fotoana io, saingy efa misy ihany koa ny fiarahamiasa amin’izay afaka hivarotra ao an-toerana mandritra ny lanonana rehetra, hahafahan’ny mpanatrika misakafo. Etsy ankilany, noho ny lalao izay hotanterahina amin’ny andro alina, dia efa nisy ny fifampiraharahana tamin’ireo koperativa rehetra eto andrenivohitra, ary nanaiky izy ireo ny hiasa amin’ny fitaterana olona amin’io alin’ny lalao baolina kitra io, araka ny fanazavan’ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika.
Mahazaka olona 40 260 mipetraka
Raha bangona tokana ny fiovana misy eo anivon’ny Kianja Barea, dia misongadina indrindra amin’izany ny fitomboan’ny olona azony raisina. Raha toa tokoa mantsy ka olona manodidina ny 24 000 no olona zakan’ny Kianja teo aloha, tafakatra 40 260 izany ankehitriny. Manaraka tanteraka ny fenitry ny FIFA ny Kianja amin’izao fotoana. Manodidina ny 178 ireo camera miasa amin’ny fanaraha-maso sy fiambenana ny toerana, ary misy koa ny fitaovana maoderina amin’ny fiarovana amin’ny afo. Ny Gradins sy ny Tribunes ihany koa dia efa naorina manokana mba hahafahan’ny mpijery mivoaka sy miditra am-pilaminana. Marihana fa ahitana toerana voatokana ho an’ny Atleta ny Kianja, sy ny Staff teknika, ho an’ny olo-manan-kaja, ho an’ny mpanao gazety, ary ahitana efitrano fandraisam-bahiny.


