Songadim-baovaoSosialy
SOAVINARIVO – AMBATOLAMPY TSIMAHAFOTSY: Mpianatra maherin’ny 300 hisitraka EPP manarapenitra
Fahasahiranana sy fijaliana no niainan’ny mpianatra tao amin’ny EPP Soavinarivo hatramin’izay, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra. Araka ny fanazavan’ny Talen-tsekoly, Ramatoa R aveloarisoa Tahina Elysa, dia tsy naharaka ny efitranon-tsekoly teo aloha, ka tsy maintsy nampifandimbiasina ireo mpianatra mampiasa ny efitrano. Nisy, araka izany, ireo tsy maintsy mianatra ny maraina, ary misy ireo mianatra ny hariva. Mazava ho azy, misedra olana ireo mpianatra tojo ny fianarana ny hariva. Ankehitriny, afa-pahasahiranana ity EPP ao Soavinarivo, Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy ity, noho ny fahavitan’ny efitranon-tsekoly vaovao miisa telo. Araka ny fanazavan’ny Talen-tsekoly, nanodidina ny 282 ireo mpianatra noraisin’ny Sekoly teo aloha. Tafakatra 300 mahery izany ankehitriny, noho ny fisian’ny fotodrafitrasa vaovao.
Tsara ho fantatra fa ny Faritra Analamanga no angady nananana sy vy nahitana izao fotodrafitrasa manarapenitra izao. Omaly no tonga nitokana izany tany an-toerana ny Governoran’ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaroka, sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra, notronin’ireo olo-manan-kaja maro. Nandritra ny lahateniny, nilaza ny Governoran’Analamanga fa tsy hisy hohadino intsony ireo Kaominina rehetra mandrafitra ny Faritra Analamanga manomboka izao. Hatsaraina ihany koa ny fomba fiasa miaraka amin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tokony, ka tsy hijerena loko politika intsony ny fampandrosoana, hoy izy. Ny Didim-panjakana noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra farany teo, rahateo, nanamafy izany fomba fiasa izany.
Lalana Pavé 3 km
Tetsy ankilany, nifanindran-dalana tamin’ity fitokanana ny EPP tao Soavinarivo ity ihany koa ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny lalana vita Pavé mirefy 3 km ao Fiakarana, Kaominina Anosiala. Raha ny fanazavan’ny mponina dia nanahirana tokoa ny fampiasana ity ampahan-dalana ity teo aloha, noho izy tsy vitan’ny ratsy, fa sady mamovoka ihany koa. Fokontany ampolony anefa no hampifandraisin’io lalana io, ka noraisin’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana izany, ka izao tontosa soa aman-tsara izao. Araka ny nambaran’ny Governoran’Analamanga, dia isan’ireo lalana Pavé tsara indrindra vitan’ny Faritra Analamanga ity ao Fiakarana ity. Miantso ny rehetra mba hahay hikojakoja ny fotodrafitrasa iombonana, noho izany, ity tomponandraikitra ity, satria ireny no lalan-dra manome aina ny firenena.



