PolitikaSongadim-baovao

MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO: “Na dia eo aza ny fanakianana, mijoro izahay manohy miasa”

Fanehoan-kevitra politika voalohany nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy, omaly, taorian’ny nahatafaverina azy indray teo anivon’ny Governemanta. Nambarany tao anatin’ny lahateniny fa na teo aza ny fanakianana samihafa natao azy sy ny ekipany, dia tsy nihemotra izy tamin’ny fanatanterahana ireo asa rehetra nankinina taminy, ary efa nahazoana vokatra azo tsapain-tanana avokoa izany.

Nandritra ny lanonana fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Ivokolo, omaly, tetsy Analakely, nisy ny teny fisaorana nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, ho an’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny nanendrena azy indray ho eo amin’ity toerana ity.  Porofo izany, hoy izy, fa maro ny asa natao, maro ny vokatra azo tsapain-tanana. Nambarany fa ny Filohan’ny Repoblika dia nametraka masontsivana hentitra isaky ny Minisitra sy isaky ny Minisitera, ka isany nahatanteraka ny asa nampanaovina, nahalavorary ny velirano nifanaovana sy ny “contrat programme” izay nosoniavina ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. “Misaotra sy mankasitraka ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ihany koa nahatsapa sy nahita izany asa misongadina vita izany ka nampiakatra ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay Minisitera faravavy na faralahy eo amin’ny laharan’ny arofenitra ho isan’ireo vavy aivo na lahy aivo ankehitriny. Manomboka miverina amin’ny tena anjara toerany ny kolontsaina, eo ihany koa ny serasera”, hoy ny fanambarana.

Nitaky vokatra ny Filohan’ny Repoblika

Tamin’io fotoana omaly io ihany koa no nanoloran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fisaorana manokana ho an’ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny vokatra sy ny asa, hoy izy, no mampiavaka ny olona tsirairay nomena andraikitra. Nitaky vokatra avo lenta ny asa natao hatreto, nitaky vokatra tsy azo lavina ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra nametraka ny tsirairay eo amin’ny toerana. “Na dia eo aza ny fanakianana mahery vaika ataon’ny etsy sy ny eroa izay tsy mahakasika ny asa natao fa matetika fandotoana maimaim-poana. Na dia eo aza ny fandotoana mahakasika ny tena manokana, mahakasika ireo mpiara-miasa. Na dia teo aza ny fanakorontanana, dia nijoro izahay, niroso izahay, nijoro nanohy ny asa, niroso nanome vokatra satria izay no hany handrasan’ny vahoaka Malagasy amintsika olom-boafidy sy olom-boatendry : hanompo ny firenena amin’ny alalan’ny asa sy ny vokatra”, hoy hatrany ny fanazavana.

Maro ireo asa natao…

Nambaran’ny Minisitra fa isan’ny Minisitera faralahy tamin’ny resaka tetibola ihany koa ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Mazava anefa ny fomba nitantanana ny vola teo anivon’ny Minisitera ka dia nahazoana vokatra azo tsapain-tanana. Fotoana izay nitanisan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo ireo asa maro natao teo anivon’ny Minisitera, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina isa-paritra, ny fanavaozana sy fanamboarana ireo harem-bakoka manerana ny Nosy sy ireo trano hampiroboroboana ny sehatra ny serasera sy ny kolontsaina (ny ORTM, ny Tranombokimpienena, ny CNEMD, ny Trano Sary, I Manjakamiadana, sns…). Nitondra fanovan-drafitra (réforme) koa ny Minisitera. Tafiditra ao anatin’izany fanovan-drafitra izany ny fanaovana ny “Politikam-pirenena momba ny Kolontsaina” vaovao. Maro ny zava-baovao sy miavaka nentin’izy io, ary efa 16 taona no niandrasana azy. Ny ekipan’ny Minisitera ankehitriny no nahatanteraka izany.

Fermer