KolontsainaSongadim-baovao
FANOMEZAN-DANJA NY KOLONTSAINA : Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny IVOKOLO
Tontosa omaly ny lanonana fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny IVOKOLO (Ex GALERIE 6) Analakely. Nitarika izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, notronin’ireo mpiara-miasa aminy. Nanome voninahitra ny lanonana ihany koa ireo olo-manan-kaja maro eto amin’ny tany sy ny Firenena.
IVOKOLO. Io indray no anarana nampitondraina ny toerana nahitana ny Galeria 6 teo aloha satria lasa natao ho ivotoerana hikolokoloana ny kolontsaina Malagasy ny toerana. Omaly no notokanana tamin’ny fomba ofisialy izany. Nambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa nitombo dia nitombo ny mponin’Antananarivo, ary tsy ampy ny fialam-boly ho an’ny tanora. Natao hialan”ny tanora voly, araka izany, ity toerana vaovao ity. “Toerana talaky maso, toerana mora aleha, toerana natokan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho anao ry tanoran’Antananarivo sy ianao izay tanora mandalo eto Antananarivo mba ahafahanao mianoka an’ireo zava-kanto Malagasy tahaka ny theatre na ny tantara an-tsehatra, ny mpiantsa tononkalo, ny kabary, ny slam, ny vakodrazana, ny mozika, ny hosodoko, ny saripika, ny vakiboky, sns… Mba ahafahan’ny tanora Malagasy miala voly”, hoy ny fanazavana. Hatramin’izany, ny tsy miankina foana no manamboatra toerana tahaka izao. Ankehitriny kosa dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no mametraka toerana manaraka ny fenitra, raitra, ary afovoan-tanàna.
Charles Ravaloson sy Roland Raparivo…
Anisan’ny hita ao anatin’ity fotodrafitrasa nasiam-panavaozana ity ny toerana lehibe fanaovana fampisehoana izay mahazaka olona manodidina ny 200 mipetraka. Ao amin’ny rihana ambany no ahitana ity efitrano ity izay natolotra ny OFNAC izay rantsan’ny Minisitera ny fitantanana azy. Nampitondraina ny anarana mpanakanto nanamarika ny sehatry ny théatre ity efitrano lehibe ity dia i Charles Ravaloson. Ankoatra io toerana fanaovana fampisehoana io dia eo ihany koa ny “Galerie d’Arts”, izay toerana fanaovana varotra fampirantiana ho an’ireo mpanao sary hosodoko, ny mpanao sary sokitra. Ity no azo lazaina fa “Galérie d’Arts” voalohany tantanan’ny Fanjakana. Nampitondraina ny anaran’ny handrarezin’ny sary hosodoko dia i Roland Raparivo ity “Galérie d’arts” ity.
Hita ao amin’ny Ivokolo ihany koa ny Ivotoeram-pikotrehina orinasa ho an’ny tanora Tosik’art izay, misy toerana telo, dia ny toerana handraisana ireo mpitsidika hampahafantarana azy ireo ny momba ny ivotoerana, toerana ahafahana manao fivoriana sy fanofanana ireo tanora, ary toerana ara-informatika ahafahan’ny tanora manao fikarohana mampitombo fahalalana. Ity no « centre d’incubation Tosik’Art » natsangana faharoa manerana an’i Madagasikara taorinan’ny tany Toamasina. Mbola hisy faritra maro hafa hananganana ity « centre d’incubation Tosik’Art » ka ny andiany voalohany dia any Maevatanana, Antsirabe, Tsiroamandidy, Miarinarivo, Ihosy, Sambava, Ambovombe ity satria tena mila izany ny tanora malagasy, tena mila izany ny faritra maro manerana ny Nosy, hoy hatrany ny fanazavana.



