PolitikaSongadim-baovao
DIASPORA AO FRANTSA: Ho afaka handray anjara amin’ny fifidianana amin’ny 2023
Nisy ny fihaonan'ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Diaspora malagasy ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny toerana misy ny Masoivohon’i Madagasikara ao Paris. Tamin-kintsim-po tanteraka no nifanakalozan’ny roa tonta hevitra. Nivoitra nandritra izany ny fanambaran’ny Filoham-pirenena mahakasika ny fahafahan’ireo Diaspora any ivelany mandray anjara amin’ny fifidianana atao amin’ny taona 2023, ary hisantatra izany ny ao LaFrantsa.
Ny volana Jona 2019, tao amin’ny efitrano malalaky ny Unesco tao Paris no nisy ny fihaonana voalohany teo amin’ny Filoha malagasy sy ireo Diaspora ao Frantsa, raha tsiahivina. Fihaonana fanindroany niaraka tamin’izy ireo, noho izany, no notanterahin’ny Filoha Andry Rajoelina ny Sabotsy teo, taorian’ny nanavoafidy azy ho Filohan’ny Repoblika.
Io fihaonana tamin’ireo Diaspora malagasy tao Frantsa sy manerana an’i Europe io, araka izany, no namaranan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fitsidihana an’i Paris Renivohitry Frantsa. Nahitana solontena tao Paris avokoa ireo Diaspora avy amin’ireo Firenena Eropeana misy malagasy mila ravinahitra. Isan’ireny ny avy any Pologne, Belgique ary Italie. Nampiseho firaisankina tanteraka ireto Diaspora malagasy ireto tamin’izany fihaonana tao amin’ny Masoivoho malagasy tao Paris izany.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny Filoha Andry Rajoelina dia nanipika mazava fa « Isika Malagasy rehetra no mila miray fo sy miara-mientana ary mandray andraikitra amin’izay tandrify azy mba hampandroso ny firenentsika na aiza na aiza misy antsika. Malagasy hatrany isika, mirehareha amin’ny maha-Malagasy ary tokony ho saropiaro amin’ny fitiavana an’i Madagasikara ». Ankoatra izay, « Voaraiko ny hetahetanareo momba ny fahafahana mandray anjara amin’ny fifidianana ka hirosoana ny fandaminana izany handraisanareo anjara amin’ny fifidianana ho atao amin’ny taona 2023. Manao carte consulaire any amin’ny Masoivoho malagasy aloha dia misoratra anarana. Aorian’izay vao afaka mifidy« , hoy ihany izy. Notsindrian’ny Filoha anefa fa ny ao Frantsa ihany aloha no hanombohana izany, handeha miandalana kosa ny any amn’ireo Diaspora any amin’ny firenen-kafa.
Fampandrosoana an’i Madagasikara
Nandritra io fihaonana io, nisy koa ny tatitra mikasika ny asa fampandrosoana eto Madagasikara ataon’ny Fitondrana izay voasoritra ao anaty Velirano miisa 13. Isan’ireny ny « câble téléphérique », izay miainga eny Ambatobe mandalo Atsonjombe, Ivandry, Ankatso. Teo koa ny tetikasa “Miami” any Toamasina izay efa madiva ho vita, ary ny Kianja Barea izay hotokanana amin’ity herinandro ity. Ny asa fanamboaran-dalana, ny Ady amin’ny kere any Atsimo (fametrahana ilay pepiline lehibe miainga any Efao, mandalo Amboasary Atsimo ary tafapaka hatrany Ambovombe Androy, ny ady amin’ny covid-19, ireto dia mbola anisan’ny teboka noresahin’ny Filoha teo anatrehan’ireo mpiray tanindrazana tao Paris.
Nohamafisin’ny Filoha ihany koa fa voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara ny fanasana azy ho vahiny manan-kanja nandritra ireny fihaonana lehibe nokarakarain’ny MEDEF ireny ary tsy hikely soroka ny Fitondram-panjakana izay tarihiny hitondra avo ny anaran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Tsara marihiana fa ny olona rehetra niditra tao Masoivoho nanatrika ny fihaonana, dia tsy maintsy nampiseho “pass sanitaire” avokoa.




