
SamihafaSongadim-baovao
MAJAORO JENERALY SY FANETSEHANA ARA-MIARAMILA Nandray ny andraikiny ny Amiraly Assanaly Bemarivo sy Jly Andriamasimanana william
Amiraly sy Jeneraly roa lahy indray no voatendry hisahana andraikitra goavana eo anivon’ny Tafika malagasy, dia hisahana ny « Major Général des Armées », sy ny « Sous Chef d’Etamajor en charge des Opérations de l’Etamajor des Armées ». Ho fanatrarana ny tanjona fampandriana fahalemana maharitra eto amin’ny firenena eo ambany fanovan-drafitra hatramin’ny 2022 no anton’izany…
Nisy ny fanendrena vaovao tamina fifamindran’andraikitra teo anivon’ny Tafika malagasy, omaly. Voatendry ho Majaoro Jeneralin’ny Tafika (Major Général des Armées) vaovao, ny Amiraly Assanaly Bemarivo Jeannot, ary Lefitry ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika misahana ny fanetsehana ara-miaramila (Sous Chef d’Etamajor en charge des Opérations de l’Etamajor des Armées) ny Jeneraly Andriamasimanana William. Fandaminana eo anivon’ny fampandehanan-draharahan’ny Tafika no anton’izao lamina vaovao napetraka izao, hanatrarana tanjona, raha ny nambaran’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy, Jeneraly Sahivelo Monja Delphin.

Manana ny fahaiza-manaony ireto tompon’andraikitra vaovao voatendry ireto, raha ny fantatra, izay azo antoka hanafaingana ny fanatanterahana ny tanjona tratrarina, dia ny fanovan-drafitra hatramin’ny desambra 2021, hisian’ny fandriam-pahalemana tanteraka eto amin’ny firenena. Efa samy nanana andraikitra ambony teo anivon’ny Tafika izy ireo, ka tsy vaovao amin’ireo andraikitra vaovao nomena azy ankehitriny, hoy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika.
Nanankinana andraikitra goavana sy makadiry…
Goavana ny andraikitra nanankinana ny Amiraly sy ny Jeneraly roa lahy ireto. Ny andraikitry ny MGA dia fantatra fa manampy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, amin’ireo asa makadiry nohon’ny firosoana hatrany amin’ny fanovan-drafitra, hampandry fahalemana ny tanindrazana. Eo koa ny hanamafisana ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, hisian’ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Manampy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika amin’ny fanovan-drafitra izay hotratrarina hatramin’ny volana desambra 2022.

Ny SOUS-CEM indray, dia ny fanetsehana miaramila, satria ao aminy ny fanomanana ny baiko hampitaina amin’ireo fari-piarovana sy filaminana alefan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo tafika miisa telo. Ao koa no mikarakara ny fahapahan-kevitra horaisina amin’ny alalan’ny ivom-pibaikoana misy amin’ny toerana iandraiketana, amin’ny fampitàna ny baiko amin’ireo fari-piarovana sy filaminana miisa 10. Rehefa mahazo an-gombaovao mikasika ny raharaha mafam-pàna eto amin’ny firenena na misy baiko politika voaray, dia anjaran’ity rafitra iray eo anivon’ny tafika ity no mamolavola sy mamadika izany ho baiko miaramila miantefa amin’ireo tompon’andraikitra tsirairay avy isaky ny Etamazaoro telo (Tafika an-tanety, an-dranomasina sy anabakabaka) mipariaka amin’ireo lehibena rafi-piarovana sy filaminana napetraka, ary mipàka amin’ny miramila an-kianja eran’ny lafy valon’ny nosy, manodidina ny nosy ary amin’ny habakaban’i Madagasikara.



