SamihafaSongadim-baovao
MPANAO GAZETY MATIHANINA: Nivoaka ny lisitra ofisialy, hatao ny 16 Oktobra ny fifidianana ny biraon’ny Holafitra
Mpanao gazety miisa 1 509 tamin’ireo 1 621 nanao fangatahana no nahafeno ny fepetra maha mpanao gazety matihanina azy, ka afaka handray anjara amin’ny fifidianana izay ho biraon’ny Holafitra vaovao, sy hisitraka ihany koa ny karatra maha matihanina mpanao gazety aoriana kely. Fantatra ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Vaomiera itambarana isasahana misahana ny fanoloana ny karatra maha matihanina, omaly. Nambaran’ny mpampakatenin’ny Vaomiera, Fetraniaina Rakotondrasoava, fa ireo mpanao gazety miisa 112 izay tsy tafiditra tao anatin’ny lisitra ofisialy dia atolotra ny biraon’ny Holafitra mitsangana aorian’ny fifidianana mba handinihan’izy ireo ny mahakasika ireo mpanao gazety ireo.
Karapanondrom-pirenena…
Araka ny voalazan’ny andininy fahefatra ao amin’ny Didim-pitondrana laharana faha 11857/2021 tamin’ny 25 Mey 2021 mahakasika ny fomba fifidianana ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety, dia mbola anjaran’ity vaomiera ity ihany koa no mikarakara ny zotram-pifidianana rehetra. Izany hoe, mivadika komity mpikarakara ny fifidianana holafitra ilay Vaomiera natsangana nisahana ny fananganana ny lisitry ny mpanao gazety matihanina. Rehefa nivory araka izany izy ireo dia nanapaka fa ny sabotsy 16 Oktobra 2021 no hotanterahina ny fifidianana izay ho birao vaovaon’ny Holafitra. Hanomboka amin’ny 8ora maraina izany ary tsy hifanarana raha tsy amin’ny 4ora tolak’andro. Eny anivon’ireo renivohi-paritra 23 no hisy ny biraom-pifidianana, ka ireo tao anatin’ny Vaomiera nitambarana isasahana tany amin’ny Faritra teo ihany no lasa komitim-paritra mpikarakara ny fifidianana any an-toerana ihany koa. Noho ny mbola tsy fisian’ny karatra maha mpanao gazety matihanina, araka izany, dia ny karapanondrom-pirenena, sy ny fanamarinana ny anarana ao anaty lisitry ny mpanao gazety matihanina no fepetra handehanana mifidy.
Mila olona 93 ny lisitrana kandida iray
Tsara marihina fa tsy olombelona no fidiana, fa lisitra. Noho izany, mpanao gazety mpikambana miisa 93 no tokony ho hita anatin’ny lisitrana kandida iray. Izany hoe ny lisitra iray dia tsy maintsy ahitana Filoha iray, Filoha lefitra 23 tompon-toerana, Filoha lefitra 23 mpisolo toerana, mpanolon-tsaina 23 tompo-toerana ary mpanolon-tsaina 23 mpisolo-toerana. Nampahafantarin’ny Vaomiera manokana omaly ihany koa ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana amin’izany fifidianana izany. Raha ny fanazavana dia hisokatra manomboka ny 13 Septambra 2021 izao ny fahafahana mametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 26 Septambra 2021. Ny 29 Septambra kosa no ambara amin’ny fomba ofisialy ireo firotsahan-kofidiana nankatoavina, ary ny 30 Septambra no hanomboka ny fampielezan-kevitra, izay tsy hifarana raha tsy amin’ny 14 Oktobra 2021. Nosokajiana ho fahanginana mialohan’ny fifidianana kosa ny 15 Oktobra, ary ny 16 Oktobra 2021 no andron’ny fifidianana. Raha ny fanazavana hatrany dia miverina ny 15%-n’ny vola naloan’ny lisitry ny kandida raha toa ka mahazo ny 10%-n’ny vato nanan-kery izy. Marihina koa fa tsy nanova ny saram-pandraisana anjara amin’izany fifidianana izany ny Vaomiera mpikarakara fa ny teo aloha ihany no nohazonina.



