PolitikaSongadim-baovao

KOLIKOLY SY FANARARAOTAM-PAHEFANA : Naiditra am-ponja vonjimaika ny Kaomandin’ny Zandarmaria teo aloha

Manamboninahitra Jeneraly, Kaomandin’ny zandary tamin’ny Fitondrana teo aloha, hatramin’ny taona 2016, efa misotro ronono, no nampidirina am-ponja vonjimaika afak’omaly noho ny resaka kolikoly. Fanamparam-pahefana sy fanaovana kolikoly amin’ny raharaha fampidirana mpianatra ho Zandary no nanenjehana azy, araka ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana.

Araka ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana, dia naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny Général de Division de Gendarmerie, RFR, izay Kaomandin’ny Sekolin’ny Zandarimaria ao Ambositra teo aloha, taorian’ny fanadihadiana lalina natao azy.  Ity fampidirana am-ponja vonjimaika azy ity dia mifandraika tamin’ny raharaha fampidirana mpianatra ho Zandary teo anivon’ny Sekolin’ny Zandarimaria ao Ambositra nandritra ny nitantanany azy. Raha ny fanampim-baovao voaray, dia isan’ny vesatra hanenjehana ity manamboninahitra eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ity ny resaka Kolikoly sy fanararaotam-pahefana.

Raha tsiahivina ny raharaha tena nahavoasaringotra ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ity, dia ny fisian’ny lisitra fanampiny nivoaka, izay nahitana mpianatra niisa 70, voalaza fa afaka fanadinana kanefa tsy nandalo ny fanadinana an-tsoratra akory, tamin’ny andiany faha- 72 ny taona 2016. Nisy nametraka, araka izany, ny fitoriana azy teny amin’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny Kolikoly (Bianco) ny taona 2017. Ity fitorohana nisy nametraka ity no nitarika ny fanadihadiana rehetra ka izao tonga hatramin’ny fampidirana azy am-ponja vonjimaika izao.

Vadina Filoham-pirenena ?

Marihina fa ny Général de Division de Gendarmerie, RFR, dia efa nisahana ihany koa ny andraikitra maha Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena azy, nanomboka tany amin’ny fiandohan’ny Fitondrana teo aloha, ka hatraty amin’ny taona 2016.

Araka loharanom-baovao akaiky ny famotorana hatrany, dia vadina Filoham-pirenena teo aloha iray ihany koa no mbola voarohirohy miaraka aminy amin’izao fotoana, mahakasika ity raharaha teo anivon’ny Sekolin’ny zandariam-pirenena Ambositra ity. Mbola tsy nitondra fanazavana mahakasika ity raharaha ity ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Ary andrasana ny fotoam-pitsarana azy.

Ny Fanoratana.

Fermer