Songadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY PIRATY: Boky hosoka 105 sy CD hosoka miisa 54 650 nodorana

Mitohy hatrany ny ady amin’ny hosoka sy ny Piraty ataon’ny eo anivon’ny Brigade Anti-Piratage na ny BAP ao amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Omaly, nisy indray ny fandorana boky hosoka sy cd hosoka teny Ambohitrimanjaka taorian’ny fitsirihana tampoka natao. Ireny hetsika rehetra ireny izay mifandrimbona amin’ny famongorana ny tambajotra manao famokarana hosoka eto amin’ny tany sy ny firenena.

Boky hosoka miisa 105 sy Kapila mangirana miisa 54 650 indray no nodoran’ny Brigade Anti-Piratage (BAP) omaly teny Ambohitrimanjaka. Raha ny fanazavana dia boky malagasy ny 80 tamin’ireo, ary ny boky vahiny kosa ny 25. Nitarika sy nisolo-tena ny mpandrindra ny Borigady misahana ny ady amin’ny hosoka na ny BAP eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Chef des Opérations, ny Lieutenant Randrianandrasana Manitra, niaraka tamin’ireo solotenan’ny mpanakanto samihafa, ny solotenan’ny mpanonta boky, ny vaditany ary ireo mpamokatra.

Nanamafy ireto tomponandraikitra ireto fa efa misy ny paikady hamongorana tanteraka ity asa fanaovana hosoka eto amin’ny firenena ity. Efa misy hatrany , hoy izy ireo, ny fanentanana atao, mba tsy hirosoana avy hatrany amin’ny fanasaziana. Misy hatrany koa ny fidinana ifotony. Ary misy, mazava ho azy, ny fisamborana. Notsindriana manokana ihany koa ny mahakasika an’ireo fampidirana hira eny an-tsisin-dalana izay voararan’ny lalàna, hoy ny fanazavana.

Olona 47 efa nosamborina

Manohy hatrany ny ezaka atao, entina hamongorana ny fanaovana hosoka ny asan’ny mpamokatra malagasy ny eo anivon’ny BAP. Nanomboka tamin’ny volana Aprily hatramin’ny Aogositra lasa teo, manodidina ny 47 no efa nosamborina, niaraka tamin’ny CD hosoka nataony sy ireo fitaovana entina mamokatra izany. Tsy hianona fotsiny ihany amin’ny fanenjehana ny CD hosoka ny BAP manomboka izao, fa hijery manokana ihany koa ireo mpanonta boky hosoka, izay misy fiantraikany lehibe any amin’ireo matihanina misehatra amin’izany.

Nampatsiahy ny Chef des Opérations ao amin’ny BAP fa enjehin’ny lalàna ny fanaovana piraty ny asan’ireo mpisehatra tsy ankanavaka rehetra. Hanohy hatrany kosa ny hetsika fidinana ifotony tampoka izy ireo hamongorana izany.

Fermer