Non classé
FANOMPOAM-PIRENENA Zatovolahy maherin’ny 30 nahatrarana hosoka, naverina amin’ny fianakaviany
Zatovolahy maherin’ny 30 eo no naverina eny anivon’ny fianakaviany, na dia efa tafiditra ho isan’ireo miaramila hanompo firenena, aza, noho ny hosoka hita tamin’ny fitsirihana tampoka natao tamin’ny antontan-taratasin’izy ireo, raha ny teo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy. Miroso hatrany ny fanadiovana eo anatrehan’ny fanovan-drafitry ny Tafika malagasy, ka anatin’izany ny ady amin’ny hosoka sy ny kolikoly…
Maro ny resaka mandeha mikasika ireo miaramila nahazo « Rengagement », kanefa nalefa nody indray. Miroso amin’ny fanitsian-drafitra eo anivon’ny Tafika malagasy, ary anatin’izany koa ny ady amin’ny hosoka sy ny kolikoly. Efa nahavita ny fanofanana ara-miaramila nandritra ny 24 volana (service légal) ireo zatovolahy maherin’ny 30 fantatra fa naverina nody amin’ny fianakaviany ireo, izany hoe efa tafiditra ho tena miaramila raikitra. Tao anatin’izay fidiran’izy ireo izay no fantatra fa nisy fanamarihana madinidinika avy amin’ireo Toby miaramila iasan’izy ireo tsirairay, ka nahatonga ny Etamazaoron’ny Tafika hiroso tamin’ny fitsirihana ny antontan-taratasy (dosie) nentin’izy ireo tsirairay avy. Hita tamin’izany fa nisy tsy nanara-dalàna tamin’ny antontan-taratasy tamin’ireo tovolahy, toy ny taona mihoatra ny fetran-taona tokony hidirana amin’ny fanompoam-pirenena. Teo koa ny fahitana antontan-taratasy hosoka, izay nataon’izy ireo ka tsikaritra nandritra io fitsirihana io.

Nambaran’ny Jeneraly Rakotonirina Lala Jacky, Tale misahana ny maha olona eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy, fa nisy tamin’izy ireo, aza, nilaza fa efa nanao fanompoam-pirenena tao amin’ny Tafika malagasy, kanefa tsy hita akory rehefa nojerena tao anaty angon-toro (base de donnée), izany hoe tsy mbola nanao izany fanompoam-pirenena izany akory. Nisy koa nampanantsoina fa tsy tonga. Nisy anefa, no ara-dalàna ara-taratasy tsara, izay efa manohy ny fanompoam-pirenena amin’izao fotoana. Fantatra ihany koa, fa efa nisy kaomisiôna manokana natsangana teo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika, izay nisahana io fitsirihana io nandritra ny roa herinandro teo, ka izao nahitam-bokany izao. Nomarihan’ny tompon’andraikitra, fa tsy ny eto Antananarivo ihany no nahitana izay hosoka teo amin’ny antontan-taratasy fidirana amin’ny fanompoam-pirenena izay, fa manerana an’i Madagasikara mihitsy. « Nisy ny fiantsoana azy ireo tsirairay tamin’izany, ary nijerena ny antontan-taratasiny avy, hatramin’ny fanontaniana fanadihadiana teny ifotony tao amin’ny Toby miaramila niasan’izy ireo. Avy tamin’izany no nandraisana fanapahan-kevitra ho an’ireo nahitana hosoka », nanampy fanazavana ny Jeneraly Rakotonirina Jacky Lala. Fantatra amin’izao fotoana, fa nanaiky ny hosoka nataony ireo zatovolahy efa nampodiana tsy hanohy ny fanompoam-pireneny, tamin’ny alalan’ny taratasy nampanaovina azy ireo tsirairay avy, ary nilazany koa ny hosoka nataony avy. Fantatra, fa hatreo amin’ny faha-27 taona no fetran-taona hahafahana miditra amin’ny fanompoam-pirenena. Fantatra ihany koa, fa efa miroso amin’ny fametrahana fitoriana eny anivon’ny Fitsarana an’ireo zatovolahy nanao hosoka, ny Etamazaoron’ireo Tafika malagasy.

Mitohy ny fanadiovana anatin’ny fanovan-drafitry ny Tafika malagasy
Mitohy hatrany amin’izao fotoana ny fanovan-drafitry ny Tafika malagasy, izay fantatra fa hatramin’ny desambra 2022. Efa nisy ny dingana sy asa lehibe ho fanadiovana, satria tao anatin’izany no hahafahana miroso bebe kokoa amin’ny fanitsiana ara-drafitra efa natomboka tamin’ny taona 2019. Nambaran’ny Jeneraly Rakotonirina Lala Jacky, fa tafiditra anatin’izany tanteraka ny ady amin’ny hosoka sy ny kolikoly eo anivon’ny Tafika malagasy. Tsy ny fifaninanana hidirana amin’ny fanompoam-pirenena toy izao ihany, raha ny fantatra, fa amin’ny lafin-javatra maro. Mitohy kosa, ny fanadihadiana sy fitsirihana atao amin’ireo zatovolahy maniry hiditra amin’izany fanompoam-pirenena izany, raha ny nambarany.


