PolitikaSongadim-baovao

FANALAM-BARAKA SY NY FANELEZANA VAOVAO DISO: Nitory ny « La Gazette de la Grande île » ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo mivady

Tsy nijanona tamin’ny lahatsoratra niisa dimy nivoaka tamin’ny 08 Septambra 2021 ny Gazety « La Gazette de la Grande » fa mbola namoaka lahatsoratra fito vaovao indray tamin’ny gazety nivoaka omaly. Tsy niova ny vontoatiny fa mirakitra fanalam-baraka sy fanelezana vaovao tsy marina mahakasika ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo sy ny vadiny. Tafapetraka omaly teny anivon’ny fampanoavana, noho izany, ny fitoriana an’ity gazety ity nataon’ny lasibatra.

« Tsy te hanitatra ny adihevitra amina zavatra tsy dia manan-danja loatra aho fa ny zavatra andrasan’ny vahoaka amiko, ny andrasan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra dia ny fanatanterahana ny asa izay namerenana ahy ao anatin’ny Governemanta indray tamin’ny volana Aogositra lasa teo”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ireo resabe mahakasika azy sy ny vadiny omaly. Na izany aza, nilaza ny tenany fa misy lalàna mifehy azy ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Manana ny lalàna 2020-006 isika tamin’ny 01 Septambra 2020 izay mirakitra ny azo atao sy ny tsy azo atao amin’ny asa fanaovan-gazety. Araka izany, manoloana ireny tranga ireny dia ny lalàna ihany no ampiharina. “Na minisitra, na ny vadiko, na olon-tsotra, na iza na iza, ka mahatsapa fa voatohitohina tamina zavatra mihoatra ny fefy dia manana ny zo ho arovan’ny lalàna”, hoy ny Minisitra.

Fanodinkodinana tamin’ny andron’ny Covid-19?

Nisy, araka izany, ny fitoriana napetraky ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo sy ny vadiny noho antony fanalam-baraka sy fanelezana vaovao tsy marina mahakasika azy ireo, araka ny fanambarana nataon’ny mpisolovava azy, ny Me Koloina Rajaona sy ny Me Tsiferana Ravoniarison. Araka ny fanazavan’ny Me Koloina dia lahatsoratra miisa 12 no navoakan’ny Gazety “La Gazette de la Grande Île” mahakasika azy mivady tao anatin’ny roa andro nisesy. Rehefa tena jerena anefa ny lahatsoratra dia tsy misy votoatiny mazava fa fanenjehana manokana no betsaka, resaka tiana hatavy sy fanodikondinan-dresaka. Raha ny fanazavana dia nataon’ity Gazety ity ho vaovao manokana mihitsy izy mivady ny amin’ny hoe manala-baraka ny Governemanta, olona manana olana ao an-tokatrano, sy ny hoe olona manao fanodinkodinana tamin’ny andron’ny Covid-19. Ity farany izay nitondran’ny Me Koloina Rajaona fanazavana: “Inona moa no andraikitra nankinina tamin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo tamin’ireny fotoana ireny? Tsy nisy afatsy ny fampitana mivantana ny antontanisa ofisialy sy ny fandaharana niarahana tamin’ny Filohan’ny Repoblika irery ihany”. Tsy misy mihitsy araka izany sehatra nahafahany nanao fanodinkodinana, na inona na inona, nandritra ireny fotoanan’ny Covid-19 ireny. Diso koa ny filazana fa nampiantsoan’ny Fitsarana momba ny Kaonty ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo momba io raharaha noforonina io.

Zavatra tsy misy fototra ifaharana

Teo anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany eo Anosy, amin’ny anaran’Andriamatoa Andrisoa Andriatongarivo sy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy no nametrahana ny fitoriana. Araka ny fanazavan’ny Me Tsiferana Ravoniarison, dia zavatra tsy misy mitombona no hita ao anatin’ilay gazety, zavatra tsy misy fototra ifaharana, fa miainga amina teboka iray tiana horesaha fotsiny dia iny no hamoronana atsanga tsy aman’orana, izay tsy misy mitombina. “Lazaina fa nifampitory ny olona arovanay kanefa tsy nisy mihitsy fitoriana napetraka mahakasika azy ireo, ary azo amarinina eny anivon’ny polisim-pirenena izany”, hoy ny fanazavana.

Tsara tsiahivina fa talohan’iny fanovana Governemanta farany teo iny dia efa nanao lahatsoratra maro nanenjika ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo hatrany ny “La Gazette de la Grande Île”. Tanjona tamin’izany dia ny mba tsy hahafaverina azy eo amin’ny Governemanta intsony. Tsy tratra anefa izany tanjona satria mbola nametraka fitokisana taminy hatrany ny Filoha sy ny Praiminisitra, ary tafaverina ho Minisitra ny tenany. Niakatra ihany koa ny laharan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo eo amin’ny arifenitra ao Governemanta ka antony tsy hahazakan’ny mpanenjika azy mafy ankehitriny.

 Ny Fanoratana.

 

Fermer