Fanadihadiana Manokana

Zandarimariam-pirenena : Tontosa ny fandrafetana ny Politikam-pirenen’ny fanatanjahantena

Ho fanatsarana ny tontolon’ny fanatanjahantena izay handrafetana ny Politikam-pirenena vaovao dia nangatahina manokana ny Zandarimariam-pirenena, mba hanome izay tolo-kevitra hanatsarana izany, noho izy manana ireo ekipa nanome vokatra tsara sy feno traikefa nandritra ny taona maro nifandimby, indrindra teo amin’ny taranja « Volley-ball » sy « Basket-ball ». Tontosa ny 7 septambra 2021 ary ny fikaonan-doha manokana nataon’ireo mpitantana ireo taranja roa, dia ny mpitantana ny GNVB sy ny GNBC, teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena,

Ampahany amin’ireo amboara azon’ny GNBC sy ny GNVB.

Ho fanatsarana ny tontolon’ny fanatanjahantena izay handrafetana ny Politikam-pirenena vaovao  dia nangatahina manokana ny Zandarimariam-pirenena, mba hanome izay tolo-kevitra hanatsarana izany, noho izy manana ireo ekipa nanome vokatra tsara sy feno traikefa nandritra ny taona maro nifandimby, indrindra teo amin’ny taranja « Volley-ball » sy « Basket-ball ». Tontosa ny 7 septambra 2021 ary ny fikaonan-doha manokana nataon’ireo mpitantana ireo taranja roa, dia ny mpitantana ny GNVB sy ny GNBC, teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, izay notarihin’ny Jly Rakotobe Christian Mpandrindra ankapobeny ny asa stratejika eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Jly Tsivahiny Patrick, izay « Chargé d’études ». Nandritra izany no nanaovana tombana ezaka entina hanatsarana ny tontolon’ny fanatanjahantena ho reharehan’i Magadasikara amin’ny ankapobeny ary ho an’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny antsipiriany. Fantatra taorian’izany fa vokatra tsara no efa azon’ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena na teto an-tanindrazana na tany ivelany: Taranja basket-ball : Ny Zandarimaria dia manana ny ekipa « Gendarmerie Nationale Basket-ball Club » na ilay antsoina hoe « GNBC », sokajy lehilahy. Efa 12 taona izay no niforonan’ny GNBC ary efa intelo izy no nandrombaka ny Amboaram-pirenena, tompondakan’i Madagasikara. Efa nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ny lalao BAL, izay nahatafakatra azy hatreo amin’ny ampahavalon-dalana. Tsara homarihina, fa lalao avo lenta (sport de haut niveau) avokoa ireo efa nosedrain’ny GNBC.

Ekipa sokajy vehivavy…

 

Matetika miatrika amin’ny sehatra iraisampirenena ny GNVB.

Tsy nohadinoina ihany koa, fa ny Zandarimaria dia manana mpilalao sy ekipa sokajy vehivavy amin’ny taranja basikety antsoina hoe « Gendarme Féminin Basket-Ball » na ny GFBB, izay efa voahosotra ho tompondakan’Antananarivo eo amin’ny lalao iraisan’ny mpiasam-panjakana na ny « ASIEF » tamin’ity taona 2021 ity. Eo amin’ny taranja « Volley-ball » : Tsy zovina amintsika intsony, izany hoe, « Gendarmerie Nationale Volley-ball Club » izany, na ny « GNVB », sokajy lehilahy. Nandritra izay 12 taona niforonany izay, dia tsy mitsahatra ny voahosotra ho tompondakam-pirenena, izany hoe, tompondakan’i Madagasikara izy isan-taona.

Efa indimy nibata ny amboara sy voahosotra ho Tompondakan’ny CCCOI, izay manenika ny Oseana Indiana. Ny Zandarimaria dia manana ekipa mpadimby na ny atao hoe « équipes-relèves », eo amin’ny sokajin-taona latsaky ny 14, 16, 18, 20 taona na lahy io na vavy. Ireto farany izay nandrombaka ny amboara maro nandritra ny « Championnat des Jeunes » tamin’ity taona 2021 ity. Tsy ho tanisaina etoana ireo traikefa sy laza ary vokatra avo « palmarès » ananan’ny Ekipan’ny Zandarimaria, ary manan-kevitra aroso ho an’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, mba ho anjara biriky ho amin’ny fandrafetana ny Politikam-pirenen’ny fanatanjahantena, izay ho atolotra tsy ho ela.

Fermer