PolitikaSongadim-baovao

FANATSARANA NY DIPLOMASIA : Hampitomboina isa ireo Malagasy miasa anatina fikambanana iraisampirenena

Omaly no nanaovan’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Patrick Rajoelina, ny fanambarana lehibe mahakasika ny politika izay ho ampiharina eo anivon’ny Minisitera izay iandraiketany. Nisy, araka izany ny fandraisam-pitenenana nataony nandritra ny lanonana ara-pomba ofisialy, izay nanambarany ny programanasan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Anisan’ny tanjona lehibe ho tratrarina, noho izany, ny fampamirapiratana indray an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao.

Miisa efatra ireo tanjona lehibe apetraka ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny manomboka izao, eo amin’ny sehatry ny diplomasia sy ny fifandraisantsika amin’ny any ivelany. Voalohany indrindra amin’izany ny famerenana sy fanamafisana ny Diplaomasia miahy ny toekarena, na diplomasia ara-ekonomika. « Izany dia midika fa ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny dia hiara-hiasa amin’ireo Minisitera rehetra izay misahana ny raharaha ara-toekarena,  ary handray anjara feno sy mavitrika amin’ny fanatrarana ireo tanjona amin’ny fampandrosoana. Isan’izany ny fanatrarana ireo Velirano izay napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ho eo ambany fitantanan’ny Praiminisitra », hoy Rafaravavy Tafika Rasata, Mpitondra tenin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Isan’ny tanjona ihany koa ny fanatsarana ny laza tsaran’i Madagasikara, ny fanandratana ny vita malagasy, ny fiarovana ny tombontsoan’ireo orinasa malagasy. Eo koa ny fampandraisana anjara bebe kokoa an’i Madagasikara eo anivon’ireny fikambanana iraisampirenena ireny, indrindra ny fikambanana ara-toekarena. Ho atao ihany koa ny ezaka rehetra mba hahafahana mampiditra ny Malagasy amin’ireny fikambanana iraisampirenena ireny mba hananantsika anjara amin’ny fampihodinana azy ireny. Izany dia mifandray amin’ny Velirano fahenina, izay mifototra amin’ny « fampanana asa ny rehetra ». « Ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ihany koa dia handray anjara amin’ny fanamafisana ny fiarahamiasa amin’ny Malagasy rehetra any am-pielezana izay anisan’ny kitro ifaharan’ny fampandrosoana ihany koa, mba handray anjara feno ao anatin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara », hoy hatrany ny fanazavana.

Ady amin’ny kolikoly

Hamafisina ihany koa ny ady amin’ny kolikoly. Nambaran’ny Minisitra omaly fa ny Minisitera izay tantanany dia ho atao Minisitera mendrika indrindra amin’izany fiadiana amin’ny kolikoly izany. “Tsy hisy intsony ny fikatsahana handoa ny ecolage. Ho atao mangaraharaha ny fandefasana ireo mpiara-miasa any ivelany. Ary ny fisafidianana ny ho masoivohon’I Madagasikara dia ho atao amin’ny fomba mangarahara ihany koa”, araka ny fanazavana. Hisy, noho izany, ny fijerena ireo olona izay manana ny traikefa sy fahaiza-manao sy ny fahaizana rehetra izay takina amin’izany masoivohon’I Madagasikara izany amin’ny maha saro-pady ny hasin’I Madagasikara.

Etsy ankilany, hapetraka ny “Club excellence Madagascar” izay fomba iray hampahafantarana ny zavatra misy sy tsara indrindra eto Madagasikara, na ny vokatra izany na ny haitao, na ny fahaiza-manao mampiavaka an’I Madagasikara, ny vakoka, ny kolontsaina mampiavaka antsika manerantany. Eo koa ny fametrahana ny “académie diplomatique de Madagascar” izay tsy ho zovina amin’ny “académie diplomatique”  izay misy maneran-tany. Amin’ny alalan’izany ivon-toerana izany no hahafahana manofana diplomaty matihanina, mahavita miaro ny tombontsoam-pirenena, miaro ny voninahitry ny firenena manerana izao tontolo izao.

Fermer