PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA TAO ANTSIRANANA: « Valiantsika amin’ny asa ny fanaratsiana »
Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny Sabotsy 11 septembra 2021 teo, ny lalana Ramena, ao Antsiranana, Faritra Diana. Nandritra izany no nanambarany fa mihazakazaka ny fampandrosoana ao any amin’ny tapany Avaratry ny Nosy, ary ireo izay minia mikipy ihany no tsy mahita izany.”Ary ho valiantsika amin’ny asa ireo fanaratsiana samihafa”, hoy hatrany ny Filoha.
Mihazakazaka ny asa fampandrosoana tanterahina ao Antsiranana, araka ny naverimberin’ny Filoha, hatramin’ny nahatongavany tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Manaporofo izany ny fametrahana ireo fotodrafitrasa maro be vaovao naorina na nohavaozina ao Antsiranana. Isan’izany ny sekoly EPP manarapenitra mahazaka mpianatra hatramin’ny 600 isa. Ny fananganana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina antsoina hoe : Banja, ny fananganana ny kianja manarapenitra. Nanambara ihany koa ny Filoha fa hisy ny fananganana toerana hipetrahan’ny mpianatra eny anivon’ny Oniversiten’Antsiranana nandritry ny diany tany an-toerana. Asa goavana natolony ho an’Antsiranana ihany koa fanombohan’ny asa fanamboarana ny lalampirenena faha-6 izay veliranon’ny Filoha tamin’ny vahoakan’Antsiranana ary ny fitokanana ireo lalana samihafa ao Antsiranana ka isany izany ny lalana Ramena. Eo anatrehan’ireo, « Valiana amin’ny alalan’ny asa ny fanenjehan’ireo mpanakiana » hoy ny Filoha. Mandeha ny fampandrosoana na misy aza ireo minia mikipy ho tsy mahita izany, hoy hatrany izy.
Fitokanana ny lalana Ramena
Fanamboaran-dalana nampanantenain’ny Filoha ho an’ny vahoakan’Antsiranana ny hanatsarana ny lalana Ramena izay hizorana raha ho any amin’ny tora-pasika sy ny sisin-dranomasin’i Ramena. Ity farany izay toerana fitsangatsangana sy hisintonana mpizahantany. Ankehitriny, vita tara tanteraka ny lalana mirefy 19 km izay sokajiana ho lalam-pirenena raha toa ka tsy nisy fanamboarana mihitsy izany tao anatin’ny 50 taona mahery. Nataon’ny mpampiasa lalana ora iray teo aloha ny lalana raha ho any amin’ny tora-pasika sy ny sisin-dranomasin’i Ramena ireo mpitsangatsangana sy mpiala voly. Vita ao anatin’ny 15 minitra kosa ny lalana amin’izao fahavitany izao. Fiaraha-miasa tamin’ny Banky Iraisampirenena no nahafahana nanamboatra ny lalana. Nisahana ny fanatanterahana ny asa kosa ny Ministeran’ny Asa Vaventy, ny tetikasa Pôles Intégrés de croissance – PIC sy ny orinasa SOGEA – SATOM. Marihina fa ankoatra ny fahavitan’ny Lalana Ramena, dia vita niaraka tamin’ny fanamboaran-dalana ihany koa ny fotodrafitrasa famoahana rano sy fiarovana ny lalana izay ilaina amin’ny fikojana ny lalana.
Fananganana toerana fandraisam-bahiny
Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoha amin’ny fanamboarana ireo tambazotran-dalana eto Madagasikara, izay ahitana toerana mahasarika mpizahantany ihany koa, ny fanamboarana ny lalana Ramena. Tsara ho fantatra fa voasokajy ho isany tora-pasika tsara indrindra manerana izao tontolo izao ny tora-pasik’i Ramena. Dingana iray hahafahana manampy isa ny mpizahantany ho voasarika hisafidy an’i Ramena, noho izany, ny fanamboarana ny lalana. Efa mametraka paikady ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina miaraka amin’ny Ministeran’ny Fizahantany amin’ny fametrahana ny tolo-bidy ho fananganana toerana fandraisambahiny avo lenta manana hatrany amin’ny kintana 5 ho fisintonana mpizahatany hatrany ao Ramena sy Antsiranana. “Manana toerana azo trandrahina betsaka i Antsiranana hisintonana mpizahantany toy ny Baie des Dunes sy Mer d’Emeraudes. Ho tombony amin’ny fizahantany ny fametrahana ireo trano fandraisambahiny, hampiditra vola ao an-toerana ary hiteraka asa ho an’ireo teratany malagasy”, hoy ny fampitam-baovao. Tanjon’ny tetikasan’ny Filoha amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany ao an-toerana ihany koa ny tsy haha-mena- mitaha ny tora-pasik’i Ramena amin’ny an’ny Nosy hafa manodidina an’i Madagasikara.
Anisany nangatahan’ny Ben’ny Tananan’ny Kaominina Ramena ny hijerena ny hanatsarana ny lafiny fahasalamambahoaka ao an-toerana. Araka izany, hampitomboina ny efitrano hahafahana mandray marary eo anivon’ny CSBII ao an-toerana, araka ny toromariky ny Filoha ho famaliana ny fangatahany. Hotrandrahina ihany koa ny angovo azo havaozina ao Antsiranana noho ny fananany rivotra mandavataona. Hatomboka ny volana janoary sy febroary ny fitrandrahana angovo azo havaozina azo avy amin’ny rivotra. Hampihena hatrany amin’ny an-tsasa-bidy ny faktioran’ny jiro aloan’ny isan-tokantrano ny fampiasana ny angovo azo havaozina.




