Songadim-baovaoSosialy
FAHAMAIZANA AO ANKARAFANTSIKA: Mitohy ny famonoana ny afo, efa mandeha ny fanadihadiana
Tsy mbola maty ny afo hatramin’ny omaly hariva ao amin’ny valanjavaboaharin’Ankarafantsika, araka ny fampitam-baovao nataon’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Baomihavotse Vahinala Raharinirina. Efa ho efatra andro no nisy ny trangana firehetana ao amin’ity faritra arovana ity, raha ny angom-baovao. Hatramin’ny omaly kosa dia mbola mitohy ny famonoana ny afo. Raha ny tontolo andron’ny omaly dia nandray anjara tamin’ny famonoana afo ireo mpiasam-panjakana avy ao Mahajanga izay notarihin-dRamatoa Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena, ny Governora, ny Lehiben’ny Fileovana, ny Tonian’ny Fitsarana, ny Lehiben’ny Distrika Marovoay, ireo lehiben’ny mpitandro filaminana (tafika, zandary, polisy), ireo Talem-paritra.
Araka ny fanazavana dia misy ihany koa ny fiarahamiasa amin’ny ivompikarohana LandDev amin’ny fizohiana ny hamafin’ny rivotra, izay niakatra ho 22km/ora omaly raha toa ka 17km/ora izany afak’omaly. “Hatreto dia mbola tsy misy ny tarehimarika ofisialy mahakasika ny velarana may, ary mbola eo am-panaovana fanadihadiana ireo ben’ny ala sy zandary mahakasika ny anton’ny afo sy ny tompon’antoka”, hoy ny Minisitra tomponandraikitra. Ity farany izay nanambara fa nidina omaly hariva ihany ny ekipan’ny Minisitera Foibe hanome tanana sy hanohana ny mpiaramiasa any amin’ny Faritra Boeny.
May koa ny taninjanakazo ao Marohogo Mahajanga
Fifandrifianjavatra ve sa Fanahiniana ? Raha sady mbola miady amin’ny afo any amin’ny valanjavaboahary any Ankarafantsika ny ekipan’ny Tontolo Iainana sy ny Zandarimariampirenena any Boeny, ny Fokonolona, ny Fikambanana mpiara-miombonantoka, ny mpitantana ny Faritra arovana….dia may ihany koa ny toerana misy ny fambolenkazo iarahan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ireo orinasa tsy miankina na Fiangonana na Fikambanana ao Mahajanga, omaly, araka ny tatitry ny Minisitra hatrany. “Mampanontany tena ihany raha iniana atao avokoa izao, na tena vokatr’ilay tsy fitandremana. Ny fanadihadiana no hahalalana ny marina”, hoy izy. Ity tomponandraikitra ity izay nitondra teny fankaherezana ho an’ireo olona rehetra nifandrimbona sy nirotsaka an-tsehatra tamin’ny famonoana afo tany amin’ireo toerana roa ireo, na dia mbola tsy maty aza ny afo. Marihina fa ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa dia nanolotra mpianatra mpirotsaka antsitrapo 100 mahery, nanampy ny MEDD amin’ny famonoana afo ao Ankarafantsika.




