PolitikaSongadim-baovao

TALE JENERALIN’NY SERASERA: “Tsy misy famotehana ny asa fanaovan-gazety mihitsy ataon’ny Minisitera”

Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ireo resabe iniana aely sy aparitaka mahakasika ny asa fanaovan-gazety sy ny Holafitry ny Mpanao Gazety ankehitriny, ny Tale Jeneralin’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriamatoa Fetraniaina Rakotondrasoava. Nambarany nandritra ny fandaharana nataony teo anivon’ny Onjampeo FreeFm fa tsy manana fikasana velively hamotika ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ny Minisitera mpiahy. Ny mifanohitra amin’izany aza no misy ankehitriny amin’ireo tetikasa maro efa mandeha.

Tsy mahagaga raha misy ny hetsika fanoherana sy fitakiana ny fialan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo ankehitriny satria efa miroso tanteraka ny pitsopitsony rehetra hirosoana amin’ny fifidianana izay ho birao vaovaon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety, hoy ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Fetra Rakotondrasoava omaly. Ity tomponandraikitra ity izay nanipika manazava tsara fa tsy manana fototra tena hipetrahany ireo fanaratsiana rehetra ataon’ny eo anivon’ny biraon’ny Holafitra efa lany fe-potoam-piasana ankehitriny, izay tarihin’i Gérard Rakotonirina sy ny ekipany. Ireto farany dia manizingizina fa famotehana ny asa fanaovan-gazety no ataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny. Nandiso izany marin-drano ny Tale Jeneralin’ny Serasera, izay nilaza fa ny mifanohitra amin’izany aza no tanterahin’ny Minisitera amin’izao fotoana, amin’ny alalan’ireo tetikasa maro efa natomboka hatramin’ny taona 2019. Isan’ny misongadina indrindra tamin’ny dingana vitan’ny Minisitera, ny nahavitana hatramin’ny farany ny fanovana ilay lalàna mifehy ny serasera amin’ny Haino Vaky Jery. Dingana goavana ny nahafahana nanala ny andininy mandrangaranga famonjana mpanao gazety tao anatin’ny lalàna vaovao. Eo koa ny fahafahana manao fandrakofana manerana an’I Madagasikara. Tetsy ankilany, nisy ny famolavolana ny lalàna mahakasika ny fahazoa mamantatra ny raharaham-panjakana, izay tafiditra ao anatin’ireo dingana goavana nataon’ny Minisitera ankehitriny. Ny ekipan’ny Minisitera ankehitriny koa no nahavita nanangana fotodrafitrasa maro izay hahafahan’ny mpanao gazety any amin’ny faritra miasa sy mampitombo traikefa. Any amin’ireo tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina isam-paritra no ahitana izany. Mbola tafiditra ao anatin’ny fampiakarana ny lentan’ny asa fanaovan-gazety koa ny fanatanterahana fiofanana maha matihanina mpanao gazety izay efa namoahana ny andiany voalohany. “Ny olona miasa ihany no henjehina. Araraotina izay zavatra mipoitra entina hanenjehana”, hoy ity tomponandraikitra ity raha namaly ireo mpitsikera.

Famindran-toerana?

Ankoatra ireo, nolazain’ny Biraon’ny Holafitra teo aloha, tarihin’Andriamatoa Gérard Rakotonirina, fa isan’ny endrika famotehana ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety mihitsy ny famindran-toerana ataon’ny Minisitra amin’ireo mpiasa eo anivon’ny TVM sy ny RNM. Namaly izany ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Fetra Rakotondrasoava, izay nilaza fa “redéploiement” no nataon’ny Minisitera fa tsy famindran-toerana mifototra amin’ny resaka tsy fifankahazoana na fankahalana manokana akory. Ary ny mpiasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina rehetra manerana ny Nosy no nanaovana izany. Ny zavatra misy, hoy ity tomponandraikitra ity, dia mivangogo eo anivon’ny Minisitera Foibe daholo ny ankamaroan’ny mpiasa.  Toerana maro eto Madagasikara anefa no tena vitsy mpiasa, raha tsy hilaza afatsy ny ao Ihorombe, izay vao nanaovany fitsidihana, sy ny any Melaky. Noho izany tranga izany indrindra no nahatonga ny fandrindrana sy fandaminana nataon’ny tomponandraikitra ka nandefasana ireo mpiasa sasany any amin’izay toerana fantatra fa mila izany. Izany hoe, niainga tamin’ny filàn’ny asa no nandefasana ny mpiasa iray any amin’ny toerana iray fa tsy noho ny tsy fifakahazoana hevitra na noho ny fankahalana manokana akory. Mbola notsindriany koa fa tsy ny mpanao gazety ihany no niharan’io fandaminana napetraka io fa na ny teknisianina, ny “Gardien”, sy mpiasa manana andraikitra hafa koa aza dia natao an’izany avokoa. “Tsy misy lalàna miteny hoe ny mpiasam-panjakana mpanao gazety dia tsy azo afindra”, hoy hatrany ny tenany. Notsiahiviny fa efa nisy nitory tamin’ireo voakasik’izany saingy tsy nahazo rariny tamin’ny filankevi-panjakana.

Fitsabahana ataon’ny Minisitera amin’ny Holafitra?

Mampametra-panontaniana ihany hoe inona no fitsabahana ataon’ny Minisitera amin’ny raharaha anatin’ny Holafitry ny Mpanao Gazety, hoy ny Tale Jeneralin’ny Serasera omaly. Notsindriany fa, araka ny lalàna, daholo ny zavatra rehetra nataon’ny Minisitera hatramin’izay. “Ny ialan’ny Minisitera tanteraka amin’ny Holafitry ny Mpanao Gazety aza no natao”, hoy hatrany izy. Notsiahiviny fa ao anatin’ny fikirakirana ny karatra maha matihanina sy ny fifidianana izay ho biraon’ny Holafitra dia ny fanohanana ara-lojistika ihany no ataon’ny Minisitera, araka izay voafaritry ny lalàna. Nambarany fa ny lalàna vaovao 2020-006 aza dia, manome fahefana betsaka ny Holafitra, isan’izany ny fahafahana manao fitsirihana tampoka hoe tena manao asa fanaovan-gazety tokoa ve ilay olona nahazo karatra sa tsia?

Tsara ho fantatra fa isan’ny hanenjehana ny Minisitera ankehitriny ny fananganana ny Vaomiera itambarana isasahana izay nambara fa lalaovina araka izay itiavan’ny Minisitra sy ekipany azy. Fanambarana izay diso tanteraka satria niainga tamin’izay voambaran’ny lalàna hatrany ny Minisitera tamin’ny fananganana ity Vaomiera ity. Efa nisy ny didim-pitondrana nivoaka ny taona 2019 nanangana azy, saingy tsy maintsy nohavaozina izany ny taona 2020 noho ny fahalanian’ny lalàna vaovao mifehy ny serasera 2020-006, izay nanan-kery ny 01 Septambra 2021.

OJM: Tsy nahazo rariny teo anivon’ny Filankevi-panjakana

Nisy ny fitoriana napetraky ny teo anivon’ny Biraon’ny Holafitra teo aloha, tarihin’ingahy Gérard Rakotonirina, teo anivon’ny Filankevi-panjakana, izay nangataka ny hanafoanana ny fanapahan-kevitry ny Minisitera nanendry ny mpikamban’ny vaomiera itambarana isasahana tao amin’ny Faritra Bongolava sy Itasy. Fanapahan-kevitra izay tsy mbola nisy akory, ka antony tsy nampitombona ny fangatahan’ny teo anivon’ny Holafitra.

Ny Fanoratana.

Fermer