
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FADIN-TSERANANA : Zava-mahadomelina mahery vaika 3,756 kg sarona
Isany manimba ny endriky Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao ny fivezivezen’ireo teratany vahiny mitondra zava-mahadomelina, mivoaka sy miditra eto amintsika. Tsy vitsy amin’izy ireny no efa tratra. Mbola maro koa anefa ireo mbola manohy ny asa ratsy ka antony nanamafisan’ny teo anivon’ny Fadin-tseranana malagasy ny fepetra fanarahamaso, ka nahatrarana ireo zava-mahadomelina 3,756Kg, tao anatin’ny telo volana farany…
“Héroïne”, “méthamphétamine », ireo no karazana zava-mahadomelina mahery vaika miditra sy mivoaka an’i Madagasikara ankehitriny. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Fadin-tseranana, mitotaly 3,756Kg ny zava-mahadomelina sarona tato anatin’ny telo volana farany. Araka ny fanazavana, ny 22 Jona lasa teo no nahatrarana ny iray kilao tamin’ny “Héroïne” izay nafenina tao anatina vata fampangatsiahana saika halefa any Cameroun sy héroïne 1,5 kg natao tao anaty « glacière » saika halefa any Liberia. Ny 11 aogositra kosa no sarona ireo « méthamphétamine » 500g, nafenina tao anaty « aspirateur » avy tany Ouganda. Ary farany, sarona ny 19 aogositra ny “Héroïne” milanja 600g, nafenina tao anaty harona vita malagasy saika halefa any Sydney. Tsara ny manamarika fa efa nogiazana ireo entana ireo, ankehitriny, eo ambany fanarahamason’ny fadin-tseranana, mandra-piandry ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana. Miha mitombo ny rongony mandalo eto Madagasikara, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny fadintseranana. Ilaina, noho izany, fandraisana andraikitry ny olom-pirenena amin’ny fampandrenesana ny manampahefana amin’ny laharana maitso 360 raha misy tranga mampiahiahy. Ny avy eo anivon’ny Fadin-tseranana koa, etsy ankilany, dia nilaza fa hamafisina hatrany ny fanaraha-maso ny fivoahana sy ny fidirana an’i Madagasikara.
Nizerianina roa lahy sy vehivavy malagasy iray tratra
Na eo aza ny fahatrarana ireo efa zava-mahadomelina ireo, mbola mitohy hatrany ny fanenjehana ireo mpanao asa ratsy ataon’ny manam-pahefana, miainga amin’ny fahazoana loharanom-baovao. Afak’omaly, tamin’ny 4 ora, voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy, teny Itaosy, noho ny fitazonana sy fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika ny teratany afrikanina roa lahy (nizerianina) sy vehivavy malagasy iray. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, loharanom-baovao avy amina mpanome loharanom-baovao no nahafantarana fa misy teratany afrikanina mivarotra zava-mahadomelina eny Itaosy. Rehefa naharay izany ny polisin’ny Stup dia nidina teny an-toerana avy hatrany ka tratra tao an-trano fonenany ireto teratany nizerianina ireto niaraka tamin’ny vehivavy malagasy iray mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Niroso tamin’ny fisavana ny tranony ireo polisy ka hita tao ny fonosana heroine 75grama, cocaïne 2 grama ary amphetamine 0,5grama miaraka amin’ny fitaovana fandanjana miisa roa sy poti-drongony. Nentina teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny fifohana sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina izy ireo mba hanaovana fanadihadiana.
20 000Ar ny grama-n’ny cocaïne…
Taorian’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahafantarana fa izy ireo no mpamatsy zava-mahadomelina mahery vaika ireo mpifoka sy mpitsindrona izany eny 67 ha ka amidin’izy ireo 20 000Ar ny grama-n’ny cocaïne raha 50 000Ar kosa ny grama-n’ny amphetamine. Nohamafisin’ny polisy fa nandritra ny herintaona eo ho eo no efa nanavaon’izy ireo ity asa fivarotana zava-mahadomelina ity, saingy izao kosa izy ireo vao tratra. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotoran’ny polisy. Tsy vao izao no nahitana teratany afrikanina mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika toy itony tratra teto Madagasikara. Eny amin’iny faritra 67ha iny no toerana ifamezivezen’izy ireo manao ny fivarotana izany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao fa lalan’ireo mpanao trafikana héroine sy cocaïne i Madagasikara ary isan’ireo lohalaharana amin’izany trafika izany ny teratany afrikanina.




