KolontsainaSongadim-baovao
MAHA IZY ARA-KOLONTSAINA : Mandroso ny fanomanana ny famerenana ny kabeson’ny Mpanjaka Toera
Nisy ny fihaonana teo amin’ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo omaly, tetsy amin’ny Biraon’ny Minisitera tetsy Anosy. Tanjon’ny fihaonana ny fanomanana ny fampodiana ny « karandoha na ny kabeson’ny Mpanjaka Sakalava Toera ».
Mandroso ny asa fanomanana ny famerenana an-tanindrazana ny Kabeso na Karandohan’ny Mpanjaka Toera. Ity farany izay nanohitra fatratra ny mpanjanaka tamin’ny fotoan’androny, ary notapahin-doha ka nosarahina tamin’ny vatany tamin’ny andro nanafihan’ny frantsay an’i Madagasikara ka nahalasa zanatany antsika.
Araka ny fanazavan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, dia tantara manamarika ny vahoaka Sakalava nandritra ny vanim-potoana maro ny momba ny Mpanjaka Toera, ka tsy nahagaga, hoy izy, rehefa nanambara ampahibemaso ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’ny 6 novambra 2020 teny amin’ny Rovan’i Madagasikara fa hifampidinika amin’ny firenena frantsay koa isika mba hampodiana io kabeso io, dia latsa-dranomaso noho ny hafaliany be loatra ny Mpanjaka Sakalava izay nanatrika teo, ka velom-pisaorana feno ny Filohan’ny Repoblika. Raha ny fanazavana hatrany dia voatahiry ao amin’ny Musée de l’Homme ao Paris Frantsa mandrak’ankehitriny Io kabeson’ny Mpanjaka Toera io, izay tena singan’ny kolontsaina tanteraka ary maha-izy azy ny vahoaka Sakalava iray manontolo, ka zava-dehibe loatra amin’izy ireo ny fahafahana mamerina izany eto an-tanindrazana indray. “Tsy azo hadinoina fa ampahany betsaka amin’ny Malagasy amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy dia saika Sakalava avokoa. Tantaran’izy ireo ka tsy azo ambaniana na atao tsinotsinona izany mikasika ny Kabeson’ny Mpanjaka Toera izany ary efa an-jato taonany no niandrandra ny fiverenan’io Kabeson’ny Mpanjaka Toera io izy ireo”, hoy hatrany ny Minisitra.
Fampanantenan’ny Filoha…
Araka ny nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fitokanana ny Rovan’i Madagasikara, araka izany, dia efa mandroso dia mandroso ny Minisiteran’ny Serasera amin’ny asa tokony hatao handaminana ny fampodiana ny « karandoha na ny kabeson’ny Mpanjakan’i Sakalava TOERA. Omaly, nandray ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Nidinika ny fanohizana ny asa, hanatanterahana io fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika io izay famerenana indray ny « maha-izy ara-kolontsaina » (identité culturelle) ho an’i Madagasikara, taorian’ny vanim-potoan’ny fanjanahan-tany. “Miasa hanatanterahana ny fampanantenana nomen’ny Filohan’ny Repoblika ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ka izany indrindra no antony nisian’ny fihaonana sy fifampidinihana tamin’ny Masoivoho frantsay miasa eto Madagasikara androany maraina”, hoy ny Minisitra. Tetsy ankilany, tanjon’ny fihaonana koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny lafiny kolontsaina koa ny fihaonana, indrindra ny resaka Mozea sy ny boky sy ny vaky boky.




