PolitikaSongadim-baovao

SEHATRA IRAISAMPIRENENA : Maniry ny hampitomboana isa ireo Malagasy mitazona handray ambony ny Filoha

Nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina sy ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana Antònio Guterres omaly tolakandro, tao amin’ny rihana faha 27-n’ny Foiben’ny Firenena Mikambana , ao New-York. Lohahevitra vitsivitsy no voaresaky ny roa tonta. Fotoana ihany koa io nitondran’ny Filoha malagasy ny hetahetany sy ny zava-misy eto Madagasikara.

Maro ireo teratany malagasy no manana ny fahaiza-manao sy ny fahalalana hanatanteraka asa eo anivon’ny Sehatra Iraisampirenena indrindra eo anivon’ny Vondrona Iraisampirenena sy ireo rantsa-mangaikan’ny Fianakaviambe Iraisampirenena. Mbola vitsy anefa ireo malagasy misolo tena an’i Madagasikara amin’ireny sehatra ireny. Teo anatrehan’izany, naneho ny faniriany ny mba hampitomboana isa ireo Malagasy mendrika sy mahafeno ireo fepetra hitazona andraikitra ambony eo anivon’ny Fianakaviambe Iraisampirenena ny Filoha Andry Rajoelina nandritry ny fihaonany tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, omaly. Ankoatra izay, fotoana ihany koa io omaly io niarahaban’ny Filoha Andry Rajoelina manokana an’i Antònio Guterres tamin’ny fiverenany amin’ny toerana Sekretera Jeneralin’ ny Firenena Mikambana fanindroany. Nanamafy ny fanohanan’i Madagasikara azy mandritra izao fe-potoam-pitondrany izao ihany koa Filoham-pirenena.

Tetsy ankilany, nankasitrahan’ny Filoha Andry Rajoelina manokana ihany koa ny fifotoran ’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana Antònio Guterres amin’ny fampiroboroboana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny fanomezan-danja ny fampiroboroboana ny tanora sy ny teknolojia vaovao ho an’ny fampandrosoana. Nivoitra nandritra ny fihaonan’ny roa tonta koa anefa fa nametraka politika manokana ho fanohanana sy ho fampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora malagasy ny Fanjakana malagasy tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Hita taratra ny fahombiazan’izany amin’izao fotoana izao amin’ny firosoan’ny tanora amin’ny famoronana asa ho azy izay tosika ho an’ny fampivoarana ny toekarena. Nandritra ity fotoana ity, nisaotra manokana ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana Antònio Guterres ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny «  initiative Covax » ho fanampiana sy ny fanohanana ara-teknika, ara-bola, ara-pitaovana ary tamin’ny fanatanterahana ny ady amin’ny Covid-19 niaraka tamin’ny fanjakana malagasy . Tsara marihina fa isan’ny nanatrika ny Fihaonana tamin’izany ny Ministry ny Vola sy ny tetibola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Patrick Rajoelina ary ny Tale misahana ny fifandraisana iraisampirenena eo anivon’ny Fiadidan’ny Repoblika Anja Ramanampisoa.

Fanokafana ny Ady hevitra

Nanatrika ny fanokafana ny Ady hevitra ankapoben’ny Fivoriambe ara-potoana andiany faha-76 ny Firenena Mikambana ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina sady mitarika ny delegasiona malagasy mandritry ny fihaonana an-tampony. Araka ny fandaminana sy ny fandaharampotoana eo anivon’ny Firenena Mikambana, noraisin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana ireo Filohampirenena sy lehiben’ ny Governemanta mialohan’ny fanombohan’ny Ady hevitra ka isany izany ny Filoha Malagasy. Notanterahina tao amin’ny Efitrano «  Salle du Conseil économique et social des délégués nord/ 2ème étage du bâtiment de l’Assemblée Générale ny ady hevitra. Nisy ny fandraisana anjara fitenenana ho fanokafana ny ady hevitra ka isany nitarika izany ny Filohan’ny Assemblée générale sady nentina manamarika ny fiatombohan’ny ady hevitra. Tazana nandray anjara fitenenana ihany koa ny Filoha Amerikana Joe Biden. Hanatanteraka ny fandraisam-pitenenany ny Filoha Andry Rajoelina anio 22 septembra 2021.

Nangonin’i LR.

Fermer