Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
DISTRIKAN’AMBATOFINANDRAHANA Olona enina nitrandraka vato, indray maty nihotsahan’ny tany
Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny talata lasa teo. Olona maromaro nitrandraka vato sarobidy « tourmaline », saingy nihotsaka tampoka ny lavaka nitrandrahan’izy ireo. Olona enina no indray maty tsy tafavoaka, raha afa-doza kosa, ny anankiroa…

nihotsahan’ny tany.
Nisehoana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny talata lasa teo. Olona maromaro nitrandraka vato sarobidy « tourmaline», saingy nihotsaka tampoka ny lavaka nitrandrahan’izy ireo. Raha ny nambaran’ny borigadin’i Fenoarivo, ao anatin’ny distrikan’Ambatofinandrahana, dia olona enina no indray maty tsy tafavoaka, raha afa-doza kosa, ny anankiroa. Raha ny fanadihadiana, tompon-tany eo amin’ny toeram-pitrandrahana izy ireo, ary nanandrana nikaroka sy nitrandraka ity vato sarobidy « tourmaline ». Efa nahavita nandavaka hatrany amin’ny efatra metatra nidina ambanin’ny tany izy ireo, ary efa nanao tonelina no sendran’ny tsy nampoizina. Nihotsaka tampoka ny tany nohadin’izy ireo, ka izy enina ireo no indray tsy tafavoaka, raha nisy olona roa kosa, nieren-doza. Nambaran’ireo mponina teny an-toerana, fa sempotra tsy tafavoaka tao izy ireo, ka izao niafara tamin’ny fahafatesan’izy ireo izao. Ny androtr’io talata io, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro dia nahavoaray antso amin’ny finday avy amin’olon-tsotra iray ny Kaomandin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria nasionaly Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, fa misy olona maromaro nihotsahan’ny tany tao amin’ny kariera « tourmaline » ao Ambalatsimiedika, Fokontany Tsimamaliavona, kaominina ambanivohitra Fenoarivo Distrikan’Ambatofinandrahana.
Fitrandrahana tsy ara-dalàna…
Nandeha nidina avy hatrany tany ifotony ny zandary miis efatra, miaraka amin’ny solontenan’ny Lehiben’ny CSB II Fenoarivo, mba hizaha ny zava-misy marina. Rehefa natao ny fizahana tany an-toerana, afakomaly, dia hita fa olona enina no indray maty tototry ny tany tao amin’ilay kariera. Nomarihina fa mbola tsy mamokatra ity ‘’carriere « ity fa vao manomboka hita fa mihatsara. Olona enina ireo namoy ny ainy, ka lehilahy miisa dimy, ka manodidina ny 40 taona eo avoka, raha 27 taona kosa, ilay vehivavy indray maty nihotsahan’ny tany. Samy monina ao Miandrihatsara sy Ambalatsimiedika avokoa ireo olona indray nihotsahan’ny tany ireto. Nisy, araka izany, ny fepetra noraisina manoloana ity loza niseho ity. Rehefa nosavaina ny taratasy, fantatra fa tsy ara-dalana ny fitrandrahana na dia azy ireo aza ny tany. Nentanina ireo olona, mba hanajanona tsy misy hataka andro ny fitrandrahana. Natolotra ny fianakaviany ireo razana, rehefa vita ny fizahana.




