Non classéSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

LOZAM-PIARAKODIA TAO ANTEZA AMBOHIMAHASOA Taksiborosy nifandona tamin’ny kamiaobe, 12 namoy ny ainy, 14 naratra mafy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo Anteza, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony, ny afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 8 ora 45 mn. Mafy ny fifandonana ary nivarina an-kady avokoa ireo fiara anankiroa.

Nahatratra 12 ireo namoy ny ainy, raha 13 kosa, ireo naratra mafy… Nitrangana lozam-piarakodia mahatsiravina indray ny lalam-pirenena fahafito iny. Fiara taksiborosy Sprinter avy Fianarantsoa sy kamiaobe iray avy aty avaratra no nifandona, teo amin’ny Pk305+400) RN7, toerana atao hoe Anteza, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohimahasoa Faritra Matsiatra ambony. Mafy dia mafy ny fifandonana, satria nahatratra 11 ireo namoy ny ainy, teo no ho eo. Raha vao nahazo fanairana ny avy eo anivon’ny Zandarimaria, nidina teny an-toerana nanao vonjy aina sy fitsirihana ary fiarovana ireo zandary avy ao amin’ny Toby Ambohimpihaonantsoa (Camp Robin) sy Ambatofitorahana ary ny BRS Ambalamanakana. Tonga teo koa BPR sy ny Kaompanian’ny zandarimaria Fianarantsoa, notarihin’ny Komandin’ny vondron-tobim-paritra Matsiatra Ambony. Raha ny vaovao farany voaray, nahatratra 12 ireo namoy ny ainy, ka ny iray efa teny amin’ny hopitaly no namoy ny ainy, omaly maraina. Nahitana ankizy sy zaza mbola menavava, tokony ho herintaona. 15 ireo naratra mafy ka ny 13 nalefa notsaboina tany amin’ny hopitaly ao Fianarantsoa, raha ny roa kosa, notsaboina ao amin’ny CSB II Camp Robin. Marihina fa ny roa tamin’ireo naratra, mpamily sy olona iray tao amin’ilay kamiao samy niharam-pahavoazana.

Nivarina tany amin’ny hantsana 30 m

Potika tanteraka tsy nisy noraisina ilay taksiborosy sprinter nifandona tamin’ny kamiaobe io. Nivarina anaty hantsana amin’ny ilany havanana, raha avy any Fianarantsoa, sahabo 30 metatra eo ho eo. Ilay kamiaobe kosa, izay nitondra simenitra sy vy, dia nitsoraka tany amin’ny hantsana havia, sahabo eo amin’ny 10 metatra eo ho eo. Rehefa nosavaina ilay fiara Sprinter dia hita tao ny « manifold », izay nahafaha-niantso ny fianakavian’ireo mpandeha rehetra niharam-boina. Nanoloana ity lozam-piarakodia mahatsiravina ity, nandray ny andraikiny avy hatrany ny Fitondram-panjakana tany an-toerana, izay notarihin’ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony ary notronin’ireo Olom-boafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana. Isan’ny tonga teo, ny Solombavambahoaka, Prefet, Lehiben’ny Distrika, ny solontena avy amin’ ireo Minisitera samihafa, ny mpitandro ny filaminana, ary ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Matsiatra Ambony sy Amoron’i Mania, izay nisolo tena ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nifanome tanana ny rehetra, tamin’ny vonjy aina, ny fitaterana ireo niharam-boina hihazo ny Tobim-pahasalamana. Maimaimpoana avokoa ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny toe-pahasalaman’ izy ireo. Maro ireo lozam-pifamoivoizana niseho tato ho ato ka namoizana aina maro. Entanina hatrany ny mpampiasa lalana, ho malina sy hitandrina mandrakariva satria lahitokana ny aina. Ny mpandeha amin’ny taksiborosy koa dia tokony ho sahy hananatra ny mpamily, raha mahatsikaritra fihoaram-pefy. Ireo mpamily fiara vaventy dia tokony hitsinjo ny fiara kely sy hanaja ny hafainganam-pandeha ary ny fisasahan’ny sakan’ny lalana. Pierre M. Lég : Ilay fiara taksiborosy niharan-doza nivarina tanaty hantsana.

Fermer