PolitikaSongadim-baovao

332 TAPITRISA DOLARA TSY HAVERINA Endriky ny fitokisan’ny FMI ny Fitondram-panjakana

Fahombiazana tanteraka ny dia nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry, tany New York sy Parisy farany teo. Anisany vokatra goavana sy tsara azony avy any ny nanoloran’ny FMI vola mitentina 332 tapitrisa dolara, izay tsy haverina ary entina indrindra hanarenana ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny valanaretina covid-19 mahery vaika teto…

Marin-toerana eo anatrehan’ny fomba fitantanana ankapobeny Firenena Malagasy ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, raha ny fehin-kevitra nanomezan’ny Mpamatsy vola iraisam-pirenena (FMI) vola mitentina 332 tapitrisa dolara. Vola tsy haverina io bolongam-bola io, raha ny nambaran’ny Filoha teo am-pahatongavana teny an-tseranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly maraina. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny FMI, Kristalina Georgieva, araka ny tatitry ny Filoha, fa resy lahatra amin’ny paikady sy ny lala-tsaina entin’ny Fitondram-panjakana hampandroso ny firenena Malagasy, eo amin’ny sehatry ny ara-toekarena sy ara-tsosialy ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Voalohany eo amin’ny tantaran’i Madagasikara izany fahazoana famatsiam-bola tsy haverina izany, raha ny fantatra. « Allocation spéciale non remboursable » no filaza io famatsiam-bola goavana io, izay entina hanarenana sy hampandrosoana ny firenena taorian’ny covid-19. Fantatra koa, fa azo ampiasaina avy hatrany io famatsiam-bola io, ary entina hantanterahina ireo fotodrafitrasa ara-tsosialy, toy ny mikasika ny angovo azo havaozina, ny rano, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny lalana, ary indrindra ho an’ireo asa fampandrosoana rehetra voarafitra nandritra ny « Colloque pour l’Emergence du Sud de Madagascar ».

« Tsy tokony ho lany andro amin’ny tsikera diso toerana »

Anisany tsy nampandroso an’i Madagasikara hatramin’izay ny fandanian’andro amin’ny tsikera diso toerana sy ady hevitra tsy mampandroso, raha ny nambaran’ny Filoha Rajoelina Andry, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety, omaly io. « Tsy naman’izay mihemotra isika fa miasa ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ». Anisany asa fampandrosoana ny fivoahana any ivelany hahitam-bokany toy izao. Nomarihan’ny Filoha tamin’izany, fa mankasitraka sy midera ny ezaka ataon’i Madagasikara tamin’ny paikady napetraka andresena ny valanaretina covid-19 io, ny Firenena mikambana, tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneraliny, Antonio Guterres. Niarahaba manokana ny Fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny fitantanany ny ady tamin’ny covid-19 io, ity farany, raha ny fantatra. Ny Firenena mikambana rahateo dia manohana ireo vinan’ny Fitondram-panjakana Malagasy ho fampandrosoana an’i Madagasikara, ary mankahery antsika amin’ireo ezaka maro ataontsika, ho fanarenana ny faritra Atsimon’ny Nosy.

Afaka mitatitra olona 40 000 isan’andro ireo zotra « téléphérique »

Nasian’ny Filoha teny koa, ny amin’ny « téléphérique » izay hatao eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Nambarany fa hahavita hitatitra olona mahatratra 40 000 io fitaterana iray vaovao maoderina tafiditra eto io. Hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra ny ho fisian’izany, ka « raha toa adiny iray na roa raha mandeha taksibe avy eny Anosy mihazo an’Ambatobe, tsy hisy afa-tsy 13 minitra eo sisa ny halaviran-dalana amin’izany », raha ny ohatra nomeny. Namafisin’ny Filoha Rajoelina Andry, fa fitaterana azo antoka sy tsy mandoto tontolo iainana ny « téléphérique », ary miainga amin’ny herinaratra manokana, na herinaratra azo avy amin’ny masoandro sy « groupe élèctrogène » manokana hampandeha azy.

 

Fermer