Sosialy

« SANDRATR’I GASIKARA » Fikambanana hanohana ny Fitondrana amin’ny sosialim-bahoaka

Maro ny fikambanana misehatra amin’ny ara-tsosialy ankehitriny. Tsy vitsy koa izy ireny no manohana izao Fitondram-panjakana mijoro sy miasa izao, izay mikatsaka mandrakariva ny hanampy ireo asa sosialy sahanin’ny Fitondram-panjakana. Tanjona ny hifaharan’ny fampandrosoana katsahina hipàka amin’ny vahoaka, raha ity Fitondram-panjakana ity. Nisy ny fananganana fikambanana tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny faritra Betsiboka, antsoina hoe « Sandratr’i Gasikara ». Fikambanana hiompana betsaka amin’ny sosialim-bahoaka izy io, raha ny fantatra, ary hijery ifotony izay azo hanampiana ireo mpiara-belona amin’ny lafiny rehetra, arak’izay nambaran’ny Filoham-boninahiny Rahaonarison Mamy Clarry, tamin’ny fandraisam-pitenenany, « tsy naman’izay mihemotra ny fikambanana tarihiko, ary mitady hevitra lalandava aho, hahafahana mampivoatra ny fiainan’ny vahoaka Malagasy avy amin’ny famoronan’asa ho an’ireo tanora Malagasy ». Fantatra, fa Ray mpiahy ny fikambanana ity ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph, Governoran’ny Faritra Bongolava. Hisy ny hetsika hotanterahin’ny fikambanana « Sandratr’i Gasikara » ato ho ato, raha ny nambaran’ny Filoham-boninahitra tany an-toerana. Miantso tolo-tanana ho fiaraha-mientan’ny fampandrosoana katsahina sy tanterahina ankehitriny, ny Filoham-pirenena, raha tsiahivina, ka anisan’izany ny fijoroan’izao fikambanana izao.

Fermer