Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIVORIAN’NY OMC NASIONALY Nametraka paikady hamerenana haingana ny filaminana manerana ny Nosy

Nisesisesy tato ho ato ny tsy fandriam-pahalemana an-tanàn-dehibe sy amin’ny lalam-pirenena, ary tamin’ny faritra vitsivitsy eto Madagasikara. Manoloana izany dia niantso ireo tompon’andraikitry ny fandriam-pahalemana rehetra manerana ny Nosy (OMC-National) ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, ary fantatra taorian’izany fa haverina ao anatin’ny fotoana fohy ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy…

Mampitaraina ny maro indray ankehitriny ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana amina toerana maro eto an-dRenivohitra sy amin’ny lalam-pirenena, ary amin’ny faritra vitsivitsy eto Madagasikara. Tsy nitazam-potsiny izany ny Fitondram-panjakana fa nandray fepetra haingana, nampiantso ireo tompon’andraikitry ny filaminana rehetra manerana ny Nosy, dia ny « Organisme Mixte de Conception-National » izany, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta miandraikitra ny minisitera voakasik’izany. Fantatra, fa ankoatra ny firongatry ny asa ratsy fanendahana miseho lany eto Antananarivo Renivohitra, dia mirongatra koa tao ho ao ny fanakan-dalana amin’ny lalam-pirenena, anisan’izany ny amin’ny lalam-pirenena fahafito iny. Anisany lasibatr’izay tsy fandriam-pahalemana izay koa ny faritra Afovoany Andrefana, hatrany amin’ny faritra Atsimo Andrefana, raha ny nivoitra tao amin’io fivoriana nitadiavam-bahaolana hamerenana haingana ny fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena io.

Fandinihana ireo paikady mahomby hametrahana amn’ny laoniny ny fahalemana

Nodinihina tsirairay teo anivon’ny OMC-National, araka izany, ireo tranga rehetra nisy tamin’ireo toerana voatanisa, ary nanapahana hevitra fa haverina haingana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena. Nomarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, nandritra io fifampidinihana natao io, fa « taorian’ny fotoana niparitahan’ny valanaretina covid-19 dia misy koa ny trangana tsy fandriam-pahalemana amin’ny tanàn-dehibe sasan-tsasany, ary ny fanafihana fiara fitateram-bahoaka amin’ny lalam-pirenena mihazo ny faritra ». Notsiahivin’ny Praiminisitra tamin’izany koa, fa eo anatrehan’ny zava-misy toy izao, dia tsy maintsy manao ny tandrify azy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny Fitondram-panjakana, na eo aza, ny ezaka nahitam-bokatra ataon’ireo mpitandro filaminana isan-tokony. Nodinihina koa ny vahaolana hahafahana misoroka ireny karazana lozam-pifamoivoizana niseho lany tato ho ato ireny, ka nanazavany ny tokony hahatomombana tsara ny fanaraha-maso ny fiara rehetra mifamezivezy. Voatonona tao anatin’izany koa ny resaka fandraisan’andraikitr’ireo mpitandro filaminana misava eny amin’ny lalam-pirenena, amin’ny fampiharana hentira ny lalàna. Nanentana ny mpitondra fiara rehetra koa ny Lehiben’ny Governemanta, mba handanjalanja ny hafainganam-pandeha ho fitsinjovana ny ain’ny samy Malagasy.

Maro ny tranga mpiseho mitarika fandraisana andraikitra…

Maro ireo trangam-panendahana miseho teto an-dRenivohitra izay, raha tsiahivina. Anisany ezaka goavana efa nataon’ny mpitandro filaminana teo anivon’ny Polisim-pirenena Boriborintany fahatelo, ohatra, ny fahazoana ireo gaigilahy amin’ny fanendahana eny amin’ny faritra Manjakaray sy Andravoahangy. Mpanendaka miisa dimy no tra-tehaka tamin’izany, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Anisany mpampitondra faisana ny mponina sy mpandalo eny an-toerana izy ireo, ary nisy mbola nahitana antsy lava teny aminy. Manomboka amin’ny 07 ora hariva izy ireo dia mijery izay olona hoendahiny, ary tsy mifidy na lahy na vavy fa samy hanaovany herisetra avokoa, ary misy maratra sy mitondra takaitra mihitsy ireo lasibatra. Manodidina ny 18 taona eo ireo andian-jatovo, ary 30 taona ny lehilahy mpitarika azy. Eo amin’ny fanakanan-dalana amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, fiara miisa dimy no voatafika tao anatin’ny indray alina, ny tapaky ny septambra lasa iny, tao Ikianja, raha tsiahivina. Miverina amin’ny fomba fanao ratsiny indray ireo jiolahy mpanakan-dalana, ka 15 lahy nirongo basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika isan-karazany no nanafika ireo fiara. Torahin’ireo olon-dratsy ny fiara amin’ny voalohany, ary rehefa mijanona iny ny fiara dia mihazakazaka izy ireo manao an-keriny ny fiara sy mandroba ny mpandeha rehetra. Azo tamin’izany ny finday maro niaraka tamin’ny firavaka volamena sy volafotsy, ary kitapo misy lelavola. Matahotra ny ainy ny mpandeha amin’izany ka dia manaiky fotsiny izay ataon’ireo olon-dratsy. Miantso ny Fitondram-panjakana mahefa, araka izany, ny vahoaka na an-dRenivohitra na ireo hiampita amin’ny faritra, mba handray fepetra haingana manoloana izany. Fepetra tongasoa anefa, ity fandraisan’andraikitry ny OMC-National, ity, ka antenain’ny tsirairay ny hisian’ny fahalemana maharitra hiadanan’ny ambanilanitra.

 

Fermer