Fanadihadiana Manokana

FIKAJIANA NY HAREM-BAKOKA : Manana toerana miavaka sy Zava-naorina miisa 177 ny MSK

Manana toerana miavaka sy Zava-naorina miisa 177 amin’izao fotoana izao ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny maha tomponandraikitra voalohany amin’ny fitantanana sy fanajariana ny harem-bakoka azy.

Ny asa fanarenana notontosain’ny minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina.

Manana lalàna (délégation de gestion) izay manome fahafahana ny olon-tsotra na fikambanana misehatra amin’ny kolontsaina hiara-kitantana an’ireo Harempirenena ihany koa izy. Izany fiaraha-mitantana izany dia anatin’ny fanajana tanteraka ny fenitra fijakiana ireo soatoavina mandrafitra ilay Harempirenena (Respect authenticité et intégrité).

Matoa ny toerana iray voasokajy ho Harempirenena dia satria manana ny lanjany na soatoavina izy. Ny andraikitry ny Ministera amin’izany dia manao ny ezaka rehetra hikajiana ireo soatoavina ireo, mba ho lovain-jafy sy tsy ho very ny tantarany. Misy, noho izany, ny tetikasa fampandrosoana sy fitrandrahana miorina akaikin’ireo Harempirenena ireo. Ny fampandrosoana sy fitrandrahana anefa matetika dia mitarika fanovana tanteraka ilay toerana, izay mamono ny soatoavina sy manova tantara koa. Kanefa ny fikajiana sy ny lafiny fampandrosoana dia tokony hifanindran-dalana hatrany. Manao ezaka, noho izany, ny mpitantana, ny minisitera amin’ny fandrindrana ireo. Teti-bolan’ny Minisitera madiodio no niasana amin’ny fitanantana harem-bakoka, na asa fanarenana izany na fanatsarana, tahaka ny tany Moramanga, izay asa fanarenana ny mozea, ka nilazan’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, fa zava-dehibe ho an’ny tantaran’ny Firenena ny fijoroan’ity Mozea ity, ary manana lanja loatra  koa ho an’ny Filoha, ka izany no antony nirosoana tamin’ny fanarenana.

Ireo toerana miavaka sy zava-naorina niasana sy hiasana

Ireto avy ny toerana miavaka sy Zava-naorina nanaovana asa fanarenana ny taona 2019 ary mitohy ny taona 2020: Faritra Analamanga: Rovan’Antananarivo sy ny fefy ; Fasan’ny Mpanjakalahy sy Mpanjakavavy ao Anatirova ; Résidence Rainilaiarivony Amboditsiry ; Mozea Rovan’Ilafy ; Tribonaly Ambatondrafandrana ; Rovan’Ambohimanga; Fasan-dRainiharo.

Misy  koa ny any Faritra Itasy : Mozea Rovan’Antongona. Ny any amin’ny Faritra Atsinanana, ahitana ny « Maison Nathan » Toamasina; Mandan’ny Foulpointe. Ny any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro : Mozea 1974 Moramanga. Ny Faritra Vakinankaratra : Mozea Rovan’ i Tsinjoarivo. Ny any amion’ny Faritra Amoron’Imania: Mozea Rovan’Ambositra Tompon’anarana. Ny fanarenana an’ireo Rova na Lapa na Toerana miavaka sy Zava-naorina na Tranobe manerana an’i Madagasikara no asa akaiky indrindra ato ho ato.

 

Mizara roa lehibe ny Harem-bakoka ara-kolontsaina

Harembakoka azo tsapain-tanana na ny « Patrimoine culturel matériel » sy ny Harembakoka tsy azo tsapain-tanana  na « patrimoine culturel immatériel ». Lasa Harempirenena ny Toerana na Zava-naorina iray (Site et monument) rehefa mirakitra soatoavina (haigolan-tany, tantara, haifoko, ….) mifandraika amin’ny olomanga, na vondron’olona na fiarahamonina, na zava-niseho ilay toerana ka eken’ny Fanjakana fa sarobidy tsy azo lavina ho an’ny Firenena izany soatoavina izany. Ny Harempirenena dia mijanona eto anivon’ny Firenena ny fiarovana azy. Ny Harembakoka iraisan’izao tontolo izao kosa, dia tsy maintsy manaraka an’ireo lalàna iraisam-pirenena mifehy ny Harembakoka iraisan’izao tontolo izao ny fiarovana, ny fikajiana azy amin’ny alalan’ny Unesco. Marihina fa ny didy hitsivolana  Laharana 82- 029 mikasika ny fikajiana sy fiarovana ny Harempirenena.

 

Mizara roa ny Harembakoka :

Ny Harena voajanahary sy ny Harembakoka ara-kolontsaina dia maneho ny fifandraisan’ny Malagasy amin’ny razany sy ny taniny. Ny Harena Voajanahary, ny minisitera misahana ny Tontolo iainana miaraka amin’ny rantsamangaika ao aminy, ny MNP no miandraikitra ny fitantanana iray manontolo. Ny Harembakoka ara-kolontsaina kosa, ny ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina amin’ny alalan’ny foibe telo no miandraikitra ny fitantanana ny Harembakoka.

Ny  Foibem-pitantanana misahana ny Harembakoka, miandraikitra ny lafiny fikajiana sy ny fiarovana. Ny Foibem-pitantanana « Lovako », misahana ny fitantanana ny vidim-pidirana sy ny fampahafantarana ary ny fameloma-maso na fitadiavana loharanom-bola. Ny Foibem-pitantanana Oscar, miandraikitra manontolo ny fikajiana, fiarovana, fitantanana ny vidim-pidirana amin’ny fitsidihana, fampiroboroboana ny toerana sy Rova Ambohimanga izay Harembakoka iraisan’izao tontolo izao.

Loharanom-baovao : Razafimanantsoa Tiana Lalaina, Foibem-pitantanana ny Harembakoka

MORAMANGA

Manana ny hasiny ny Mozean’ny tolom-panafahana 1947

Endriky ny fitiavan-tanindrazana ny fikolokoloana ny tantara.

Nangatahan’ireo mponina tao Moramanga,  nandritra ny fandalovan’ny  Filoha Rajoelina Andry ny hanamboarana sy hanarenana ny Mozean’ny tolom-panafahana 1947, izay vakoka manan-tantara. Mirakitra tantara tsy hay kosehina ho an’ny vahoaka malagasy, nandritra ny tolom-panafahana mavaivay nandritra ny 29 marsa 1947. Noho ny fandrindrana ny asa, ny ministera misahana ny kolontsaina  no niantsoroka ny fanatanterahana ny asa. Efa nisy, araka izany, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Mozea tao Moramanga, taorian’ny fahavitany ka ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana niaraka tamin’ny ekipan’ny minisitera. « Zava-dehibe ho an’ny tantaran’ny Firenena ny fijoroan’ity Mozea ity, ary manana lanja loatra ihany koa ho an’ny Filoha, ka izany no antony nirosoana tamin’ny fanarenana », hoy ny minisitra Andriatongarivo Lalatiana. Teti-bolan’ny minisitera madiodio no nenti-nanamboarana ny asa rehetra. Aorian’ny fiverenana amin’ny fiainana andavanandro, azo ampiasaina avy hatrany ny Mozea ao Moramanga, izay manana ny hasiny manokana eo amin’ny tantaram-pirenena. Ho fanatsarana ny mozea, nisy ny takelaka lehibe miisa valo,  nentina avy aty Antananarivo, hapetraka ao amin’ity Mozea ity, hanampiana ny olona hahafantatra misimisy kokoa ny Tantaram-pirenena. Efa azo ampiasaina  ity Mozea ity na dia mbola misy aza ireo pitsopitsony madinika izay mbola azo hatsaraina.

Maty ho an’ny tanindrazana, velona ao am-po…

Niady ho an’ny fanafahana an’i Madagasikara teo ambany vahohon’ny Frantsay ireo mpitolona maherifo malagasy. Nipoaka taorian’ny fanerena ny Malagasy handray anjara tamin’ny Ady lehibe faharoa ny fikomiana. Isan’ireo nandray anjara mavitrika ny « Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache » na MDRM sy ireo fikambanana miafina hafa, niady ho an’ny fahafahana sy ny hiverenan’ny Fahaleovantena. Ny faramparan’ny volana marsa 1947 dia nivadika ho fikomiana mahery vaika nanoherana ny Fitondrana mpajanatany, ilay heverina ho fikomian-tantsaha tsotra nohetsiketsehin’ireo fikambanana miafina. Nitombo isa haingana noho ny fanatevenan-daharana nataon’ireo tantsaha tany Atsimon’i Madagasikara ny mpikomy, izay niisa 2.000 tamin’ny fiantombohan’ny fikomiana ka lasa 20.000 tany ho any. Niely hatraty afovoan-tany izany, ka tonga tany Fianarantsoa sy Antananarivo ary ny Faritra Alaotra iny.

Manan-danja eo amin’ny tantara ity Mozea ity.

Nipoaka ny « Raharaha 29 marsa 1947 », ka ny tao Moramanga no tena nahitana vono olona mahatsiravina. Maro ny fandringanana natao, izay nahazo indrindra indrindra ny mponina tsy miaramila. Ny miaramila frantsay dia nitifitra « vagô » telo nohidina tamina firaka, izay nisy mpikomy nogadraina miisa 166, mba hialana amin’ny fanafihan’ireo namany tsy hikasa hanavotra azy. Ankoatra ireo,  nandany taona iray ny Tafika mpanjanatany, mba hanafoana ireo karazana ady anaty akata madinidinikan niseho nanarena ny Nosy. Ny iraka nampanaovin’ny Antenimieran’ny « Union française » fanadihadiana tamin’ny faramparan’ny taona 1948 dia namoaka vokatra voalohany izay nanambara fa 89.000 no maty, nandritra io tolom-panafahana io. Ny hafa milaza fa mbola  lavitry ny tena zava-nitranga izany tarehimarika izany. Maty ho an’ny tanindrazana izy ireo, fa velona ao am-pon’ny Malagasy. Koa rariny raha omen-kasina sy manana ny lanjany ho an’ny tantaran’i Madagasikara.

Rado Harivelo & Yas

Tags
Fermer