
Songadim-baovao
Orinasa Nutrisud Taolagnaro : Hamokatra fanampin-tsakafo 600 Taonina isan-taona
Tafapetraka tamin'ny fomba ofisialy ao Ampamakiambato – Taolagnaro, omaly maraina, ny fotodrafitrasa goavana "container usine" Nutrisud, izay notokanan’ny Filohan’ny Repoblika mivady. Hamokatra fanampin-tsakafo, 600 taonina isan-taona ity orinasa ity, ary maherin'ny 120 000 ny Mpianatra no hisitraka ireo vokatra be otrikaina ireo. Hozaraina maimaimpoana any amin’ireo « cantines scolaires » any amin’ny Faritra Anosy sy Androy ny vokatra mivoaka avy amin’io orinasa lehibe io...
Miroso hatrany ny fampandrosoana any amin’ny Faritra Atsimo iny. Enti-miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any an-toerana, tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ao Ampamakiambato – Taolagnaro, omaly maraina, ny fotodrafitrasa goavana « container usine » Nutrisud, izay notokanan’ny Filohan’ny Repoblika mivady. Hamokatra fanampin-tsakafo, 600 taonina isan-taona ity orinasa ity, ary maherin’ny 120 000 ny Mpianatra no hisitraka ireo vokatra be otrikaina ireo. Hozaraina maimaimpoana any amin’ireo « cantines scolaires » any amin’ny Faritra Anosy sy Androy ny vokatra mivoaka avy amin’io orinasa lehibe io. 15% amin’ny ankapobeny ny zaza minono hatramin’ny dimy taona no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ao anatin’ireo Faritra roa any Atsimo ireo, dia Androy sy Anosy. Ambovombe ao amin’ny Faritra Androy no tena ahitana izay tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika amin’ny zaza izay. “Tanjona ny tsy hampivadika ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ho lasa tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka”, hoy ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, Sekretera mpanatanteraka – ONN. Manoloana izany, mitana andraikitra lehibe amin’ny fitomboana sy ny fifantohan-tsain’ny ankizy ny fanomezana azy ireo fanampin-tsakafo, hoy ny fanazavany.
Hiteraka asa ho an’ny mponina…
Nahita ary nanatri-maso ny fahoriana ateraky ny tsy fahampiana ara-tsakafo eo amin’ny ankizy ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika, sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina, nandritra ny fitsidiham-paritra notanterahany taty Atsimo ny Nosy. Ka izay no nitsirian’ny hevitra nanaovana ny tetikasa Avotse sy ny fananganana ny Nutrisud. Akora fototra avy ao amin’ny Faritra ihany no hanamboarana ny vokatra hivoaka avy ao amin’ny Nutrisud. Hiteraka asa ho an’ny mponina koa ny fisian’ity orinasa ity ary omena vahana manokana ireo vehivavy, indrindra amin’ny fanangonana ireo vokatry ny tany sy ny famokarana ireo fanampin-tsakafo. Tsy hijanona hatreo anefa, fa mbola hitohy ny fiaraha-miasa, raha ny voalaza omaly tao Taolagnaro. Mpiara-miombona antoka tamin’ny Fikambanana Fitia anatin’ny fananganana ny « container usine » ny « Nutriset » sy ny « Fondation Merieux », satria nitovy ny fomba fijery ary iray ny tanjona dia ny handresy ny tsy fanjarian-tsakafo indrindra fa eo amin’ny ankizy. Raha tsiahivina, ny volana Marsa tamin’ity taona ity, no nanaovana sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny tetikasa fananganana ny « container Usine » ao Faradofay. Nandritra ny lanonana fitokanana ny Nutrisud omaly, izay natrehan’ny Filohan’ny Repoblika sy olo-manan-kaja maro, Malagasy sy vahiny, dia nijoro vavolombelona tamin’ny fiovam-piainana nositrahan’izy ireo tamin’ny alalan’ny Fikambanana Fitia, ny ankizy avy any Tsirangoty – Ambovombe.




