Songadim-baovao
Hisarihana mpizahatany ao Tolagnaro : Mandritra ny enim-bolana ny fanamboarana sy fanajariana ny torapasiky Libanona
Notanterahina tao amin’ny Torapasiky Libanona ny lanonana fanombohana ny fanamboarana sy fanajariana ho toeram-pitsangantsanganana ity torapasika mampalaza an’i Tolagnaro ity, ny sabotsy lasa teo. Mandritra ny enim-bolana ny faharetan’ny fanamboarana sy fanajariana ny torapasika, mba hisarihana mpizahatany…

Notontosaina tany amin’ny torapasiky Libanona ny lanonana fanombohana ny fanamboarana sy fanjariana ho toeram-pitsangantsanganana ity torapasika mampalaza an’i Tolagnaro ity, ny sabotsy lasa teo. Ny Filoha Andry Rajoelina mivady no nitarika izany lanonana Izany. Natao hamaly ny filan’ny mponina sy ny vina fampandrosoana ny Faritra Anosy ny fanajariana. Tsapa sy hita fa mihasimba sy kaohin’ny ranomasina sy ny riaka ity torapasika ity. Tsy vitan’izay, feno fako sy loto isan-karazany ny torapasika. Isan’ny laharam-pahamehana ao anatin’izao tetikasa izao ny fiarovana torapasika tsy ho simba, ny fikajiana ny tontolo iainana ary ny fametrahana ireo fotodrafitrasa maro, manaraka ny toetr’andro, mba hisarihana ny mpitsangantsangana sy ny mpizahatany. Nandritra ny lanonana no nanehoana ny horonantsary ny endriky ny torapasiky Libanona sy ireo fotodrafitrasa hipetraka eo amboniny rehefa vita. Manodidina ny enim-bolana ny faharetan’ny asa. « Manomboka ankehitriny ny asa hanajariana ny moron-dranomasin’i Libanona. Toerana nampalaza an’i Tolagnaro hatrizay ny eto ary hohatsaraintsika, mba ho endrika hahafantarana azy, ho reharehan’ny mponina no sady hisarika ireo vahiny sy mpiala sasatra », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. « Ho toeram-pitsangantsanganana malaza i Libanona, toeram-pialamboly koa, ahitana faritra fanaovana fampisehoana, toerana fialana hetaheta ary hisy ny « connexion wifi » maimaimpoana. Izao no mahatsara ny fiaraha-miasa 3P (partenariat Public Privé) satria mba mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny Firenana, koa ny orinasa tsy miankina, raha ny fanazavan’ny Filoha hatrany. Ny orinasa Telma no mpiara-miombona antoka amin’ny Faritra Anosy sy ny Kaominina Tolagnaro amin’ity tetikasa fanjariana ny torapasiky Libanona ity. Tsetsatsetra tsy aritra no hilazana fa nanisy resaka ilay fanafarana ireo entana tena ilain’ny mponina andavanandro ny Filoha. » Vahaolana anatin’ny fotoana fohy ny fanafarana vary fa tsy mandavantaona. Mandram-piandry ny fiakaran’ny vokatry ny fambolena », hoy izy.
Notokanana ny biraon’ny Faritra Anosy
Ankoatra izay, ny tolakandron’ny sabotsy, nitokana ny biraon’ny Faritra Anôsy nasiam-panamboarana, ny Filoha Andry Rajoelina mivady. Taorian’izay, nisy ny fihaonana mivantana tamin’ny vahoakan’i Taolagnaro manoloana ny Lapan’ny tanàna. Nandritra izany no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Governoran’ny Faritra Anôsy, Raharimbola Jocelyn vao notendrena nandritra ny Filankevitry ny minisitra farany teo. Raha tsiahivina, voatendry minisitry ny Asa Vaventy ny Governora, teo aloha, Hatrefindrazana Jerry. Tamin’ity tolakandron’ny sabotsy lasa teo ity, no natao ny famindram-pahefana teo amin’ny Governora vaovao sy ny Governora teo aloha.
Vola mitentina 272 Tapitrisa Ariary no nenti-nanavaozana ny trano misy ny biraon’ny Faritra Anôsy, ka 59 Tapitrisa Ariary avy amin’ny Faritra Anôsy, fa ny 213 Tapitrisa Ariary dia famatsim-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Filoha Andry Rajoelina no nanambarany ireo tetikasa atao any amin’ny Faritra Anosy sy Androy, entina hanafoana ny kere sy hampandrosoana ireo Faritra roa ireo, tamin’ny vahoakan’i Tolagnaro. Ny lehibe indrindra tamin’izany ny fanombohana ny « Pipeline » miainga avy ao Efaho ka hatrany Ambovombe Androy, izay tsy maintsy hanomboka amin’ity taona ity. Toy izany koa ny Lalam-pirenena faha-13 (RN13) manomboka ao Tolagnaro ka hatrany Ambovombe Androy. Ny lalam-pirenenana RN-13 avy any Ihosy ka hatrany Betroka.




