PolitikaSongadim-baovao

HOLAFITRY NY MPANAO GAZETY: Manohana ny hisian’ny fifidianana ny ankamaroan’ny mpanao gazety

Tsy takona afenina intsony ny fampifangaroana ny resaka politika sy fankahalana olona manokana ataon’ny andiana mpanao gazety sasantsasany, ao anatin’ny dingana hirosoana amin’ny fifidianana ny birao vaovaon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety, ankehitriny. Na izany aza anefa, ampahany vitsy ihany izy ireo no mipetraka ho sakana, fa saika resy lahatra sy manohana ny tokony hisoroana amin’ny fifidianana avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao gazety eto Madagasikara.

Resy lahatra amin’ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana ny birao vaovao mandrafitra ny Holafitra ny ankamaroan’ny mpanao gazety ankehitriny. Nanaporofo izany ny zava-nisy teny amin’ny Motel Anosy omaly nandritra ny fampahafantaran’ny lisitry ny kandida tarihin’I Monica Harifeno Rasoloarison ireo vinan’asan’izy ireo, rehefa tafapetraka eo amin’ny toeran’ny Biraon’ny Holafitra. Tonga maro tokoa mantsy ireo mpanao gazety, ary saika voasolo tena tao avokoa ireo orinasa fanaovan-gazety rehetra misy eto an-drenivohitra.

Mazava be tokoa raha toa ka tsy miombon-kevitra amin’ireo andiana mpanao gazety vitsivitsy mitsipaka ny hirosoana amin’ny fifidianana ny ankamaroan’ny mpanao gazety satria rehefa henoina ny vontoatiny fanehoan-kevitra ataon’izy ireo dia tsapa fa tsy mitombina. Tsiahivina hatrany fa ny volana septambra 2017 no lany ny fepotoam-piasan’ireo biraon’ny Holafitra teo aloha, izay mbola misora-tena ho biraon’ny Holafitra amperinasa ankehitriny. Hatramin’izao, tsy nieritreritra ny hanatanteraka fifidianana izy ireo. Ankehitriny, niainga tamin’izay voalazan’ny andinin-dalàna samihafa lany teny amin’ny Antenimiera roa tonta dia napetraka ny Vaomiera itambarana isasahana nanangana ny lisitr’ireo mpanao gazety matihanina afaka handray anjara amin’ny fifidianana, ary io Vaomiera io indray ankehitriny lasa komitim-pifidianana avy hatrany. Diso tanteraka, noho izany, ny filazana fa ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no manao tery vay manta ny hirosoana amin’ny fifidianana. Ny an’ireo andiana mpanao gazety sasany ireo dia efa mazava be fa mifangaro resaka politika sy fankahalana tsangan’olona manokana ny resaka voizin’izy ireo, izay milaza ho tsy manaiky ny hisian’ny fifidianana eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety. Mandrapaha rahoviana àry no tsy hisy birao vaovao ny Holafitra?

Tsy misy idiran’ny Minisitera…

Iniana voizina hatrany fa hoe novain’ny Minisitera ny fomba fifidianana ny biraon’ny Holafitra ka lasa nasiana filoha lefitra isaky ny faritra izany, raha toa ka isaky ny faritany teo aloha. Izany hoe, niova ho 93 izany ny isan’ireo ao anaty lisitrana kandida iray vao afaka nirotsaka hofidiana. Lazaina fa fanakanana ny hafa tsy ho afaka handray anjara amin’ny fifidianana izany, kanefa, tsara tsiahivina fa ny Antenimierandoholona notarihin’ingahy Rivo Rakotovao no nanao io fanitsiana io tamin’ny fotoan’androny fa tsy nisy nidiran’ny Minisitera velively. Mbola fanehoan-kevitra miharo filamboatsihary ihany koa ny filazana fa antomotra loatra ny fanambaran’ny Vaomiera mahakasika ny antsipirian’ny zotram-pifidianana. Raha tsiahivina anefa dia efa tamin’ny 01 Septambra 2021 no nisy ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety nampahafantarana ny mahakasika ity fifidianana ity.

Hijoro hampiombona  ny samy mpanao gazety…

Manoloana izao tsy fitovian-kevitra miseho lany eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny asa fanaovan-gazety izao, isan’ny vinan’asa voalohan’ny lisitra tarihin’I Monica Harifeno Rasoloarison ny fampiombonana ny samy mpanao gazety. Notsindrian’izy ireo fa tsy tokony hatao mahagaga ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpanao gazety, izay rahateo koa, hoy izy ireo no maha mpanao gazety. Saingy, amin’ny maha olon’ny fiarahamonina ny mpanao gazety dia tokony ho azo atao foana ny mifampiresaka amin’izay teboka mety hifanolanana. Raha toa ka tafapetraka soa aman-tsara eo amin’ny toerana maha birao, araka izany, ity lisitra kandida ity, dia isan’ny vaindohan-draharaha ny fanaovana fihaonana eo amin’ny samy mpanao gazety hijerena ny vahaolana handravonana ny tsy fitovian-kevitra rehetra misy, tsy eto Antananarivo ihany fa manerana ny Nosy. Nandritra izany indrindra no niantsoan’izy ireo ny namana mpanao gazety rehetra ho tonga hifidy amin’ny andron’ny fifidianana mba hahatontosa io tanjona fampiombonana ny mpanao gazety io.

Ny Fanoratana.

Fermer