Songadim-baovaoSosialy
VEHIVAVY NIHARAN’NY HERISETRA : Notoloran’ny Fikambanana Fitia fiofanana ireo vehivavy miisa 30
Tsy mijanona fotsiny amin’ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy avy niharan’ny herisetra teny anivon’ny fiarahamonina ny Fikambanana Fitia tarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina, fa miroso ihany koa amin’ny fanomezana fampiofanana azy ireo, mba hahafahan’izy ireo mioitra amin’ny fiainana, ary mahaleo tena ara-pivelomana. Navoaka omaly ny andiany voalohany tamin’ireo nanaraka « Formation intégrée ».
Naharitra 30 andro ny fiofanana manokana narahin’ireo vehivavy niisa 30 teo anivon’ny ivon-toerana manokana fandraisana an-tanana ireo olona niharan’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny maha vavy, etsy Mahamasina. Amin’ny maha vehivavy vao avy niharan’ny herisetra azy ireo, dia natao ho lohalaharana tamin’ny fampiofanana nomena azy ireo ny fifehezana ny fihetseham-po, araka ny fanazavana. Izany rahateo no niantoka ny fahafahan’izy ireo nandray ny fampiofanana arak’asa rehetra nomena azy ireo. Ny momba ny fahandroana sakafo, ny fanaovana mofomamy, ny peta-kofehy, ny zaitra, sy ny sisa maro hafa, ireo no fiofanana nomena ireto vehivavy ireto. Tanjona, araka ny fanazavan-dRamatoa Mialy Rajoelina, Vadin’ny Filohan’ny Repoblika sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, ny mba hahatonga ireo vehivavy ireo hahaleo tena sy afaka mijoro miatrika fiainana taorian’ny fandalovan’izy ireo teo amin’ny ivon-toerana, ary indrindra mba hahatonga azy ireo ho vonon-kandresy amin’ny fiainana. Andiany « Fandresena » rahateo no anarana nosafidin’ireto vehivavy ireto tamin’ny famoahana azy ireo tamin’ny fomba ofisialy omaly.
Nomena fitaovana hoenti-mihary
Tontosa omaly tetsy Mahamasina, noho izany, ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireto andiany voalohany tamin’ny « Formation intégrée » ireto. Tsara ho fantatra fa hatramin’ny nananganana ny ivon-toerana tamin’ny 25 Novambra 2019 no ho mankaty dia efa maro ireo nisitraka fiofanana tao an-toerana. Isan’ireo nanatrika sy nitarika ny lanonana omaly ny Vadin’ny Filoha sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina, teo koa ny Solontena maharitry ny UNFPA eto Madagasikara, ary ny solontenan’ny Rafitry ny Firenena mikambana miasa sy monina eto amintsika. Tetsy ankilany, dia nanatrika ny lanonana ihany koa ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ary ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nanamafy ny Solontena maharitry ny INFPA eto Madagasikara fa ady mbola mila hamafisina eto amintsika ny heritsetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy. Vehivavy malagasy 1 amin’ny 3, hoy izy, no mbola iharan’io herisetra io, na ara-batana izany na amin’ny endriny hafa.
Tsara marihina fa nandritra io fotoana omaly io ihany koa no nanoloran’ny Fikambanana Fitia fampitaovana isankarazany ho an’ireto vehivavy ireto, niankina tamin’ny fiofanana nataony. Nisy, araka izany, io nahazo milina fanjairana, lamba soga, lafaoro, sy ny sisa hafa koa.




