PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FANORENANA NY EPP ANDANDIHAZO Tonga nametraka vatofototra ny Governoran’i Bongolava

Tafapetraka soa aman-tsara ny vatofototra hanorenana Sekoly fanabeazana fototra (EPP) ao amin’ny fokontany Andandihazo, Kaominina Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Ny Governoran’ny Faritra Bongolava, Jeneraly Ramiaramanana Joseph, no nanatanteraka izany, notronin’ny Ben’ny tanàna sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao an-toerana. Mariky ny fampandrosoana ao amin’ny faritra Bongolava, sy ny fanatanterahana ny velirano fahefatry ny Filohan’ny Repoblika no antony nanatanterahana izany, mba hisitrahan’ny rehetra fanabeazana, indrindra ny kilonga madinika ao amin’ny faritra. Tsy hisy intsony ny tany lavitr’andriana, raha ny tanjon’izao Fitondrana izao, ka antony nandraisan’ny Ben’ny tanàna sy ny Faritra ny andraikiny, sy ho fanatanterahana ny fanamby napetraky ny Filoha ho an’ny vahoaka tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. « Bongolava mandroso no tanjona », raha ny teny filamatry ny Fiadidiana ny faritra ao an-toerana, ary nambaran’ny Governora Jeneraly Ramiaramanana Joseph, fa « tsapan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny fijalian’ireo ankizy mpianatra amin’ny dia an-tongotra hanenjehany fianarana any amin’ny fokontany Tsinjoarivo Imanga, ka anton’izao fanatanterahana fotodrafitrasa hanena ny fahasahiranan’izy ireo izao ». Hahitana efitrano miisa roa ity EPP hatsangana ity, ary hahazaka mpianatra 50 ny efitra iray. Haharitra telo volana eo ny fananganana io fotodrafitrasa io, ary antenaina hanala fahasahiranana ireo mpianatra madinika ao amin’ny fokontany Andandihazo.

Fermer