Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao

BAOLINA KITRA : Naongan’ny maro an’isa amin’ny ligy i Raoul Arizaka Rabekoto

Filohana ligy 21 sy mpikamban’ny komity mpanatanteraka efatra no nanapa-kevitra hampiato an-dRaoul Arizaka Rabekoto amin’ny andraikitra maha filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra azy omaly nandritry ny fivoriana nataon’izy ireo teny Mahamasina. Halefa any amin’ny kaofederasiona afrikan’ny baolina kitra io fanapahan-kevitra io. Mandra-pisian’ny fifidianana dia ireo filoha lefitra no hampihodina ny federasiona.

Feno ny kapaokan’ireo filohan’ny ligy. Naaton’izy ireo amin’ny andraikitra maha filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra azy Rabekoto Arizaka Raoul. Omaly nandritry ny fivoriam-be tsy ara-potoana nataon’izy ireo tetsy Mahamasina no nandraisan’izy ireo izany fanapahan-kevitra izany. Filohana ligy 21 amin’ireo 22 misy no nandray io fanapahan-kevitra io omaly, niampy mpikambana efatra ao amin’ny komity mpanatanteraka. Raha ny tapaka nandritra izany fivoriana izany ihany dia ireo filoha lefitra telo no hiara-hitantana hampandeha ny raharaha andavanandron’ny federasiona mandra-pisian’ny fifidianana vaovao.  Ny komity mpanatanteraky ny federasiona Malagasy ny Baolina kitra kosa no hisahana ny fikarakarana ny fifidianana rehetra manomboka any amin’ny seksiona, ny ligy ary ny federasiona. Raha ny fanazavana azo dia halefa any amin’ny kaofederasiona afrikan’ny baolina kitra avy hatrany izany fanapahan-kevitra izany. “Tohin’ny fangatahana fivoriana tsy ara-potoana indroa nalefanay tamin’ny filohan’ny federasiona izao fivoriambe izao, izay manaraka tsara ny sata mifehy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra” hoy ny fanazavana omaly tetsy Mahamasina.

Efa an-taonany tsy teto an-toerana

Efa ela ny filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra Raoul Arizaka Rabekoto no efa tsy teto Madagasikara intsony. Tsiahivina fa nilefa antsokosoko any ivelany izy noho ny raharaha fanodikodinam-bola nahavoasaringotra azy. Avy any ivelany hatrany arak’izany izy no mitantana ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra. Tany izy, raha tsiahivina, no nandray fanapahan-kevitra samirery nampiato ny fifanarahana ara-kasan’i Nicolas Dupuis sy nanendry irery an’i Eric Rabesandratana ho mpanazatran’ny Barean’i Madagasikara. Tsy nisy na dia iray aza lalao ofisialy nataon’ny barea ka natrehan’i Raoul Arizaka Rabekoto raha ny tao anatin’ny 2 taona fotsiny no jerena. Mbola any ivelany hatramin’izao ny lehilahy, ary na ho tafaverina aza dia mbola miandry azy ny sazy asa an-terivozona mandritry ny 10 taona sy ny lamandy 500 tapitrisa ariary nanamelohan’ny “Pôle Anti-Corruption” na PAC azy herinandro vitsy lasa izay noho io raharaha fanodikodinam-bolam-panjakana io. Ity filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra ity izay efa namoahan’ny fitsarana Malagasy didy fampisamborana iraisampirenena ihany koa.

Lalaon’ny Barea any Kinsasha

Ny fisavorovoroana toy izao no tombanan’ny maro ho isan’ny anton’ireo faharesena nobatain’ny mpilalaon’ny barea izay mandray anjara amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany. Ny Barean’i Madagasikara izay any Kinsasha amin’izao fotoana izao hiatrika ny andro fahatelon’izany fifanitsanana izany anio ao amin’ny Stade des Martyrs. Hifandrina amin’izy ireo amin’izany ny « Léopards »,  izay ekipam-pirenen’ny baolina kitra any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Aorian’io rahampitso io dia hatao eto Antananarivo indray ny lalao miverina ny alahady izao. Hatreto dia amin’ny laharana farany no misy ny Barean’i Madagasikara ao amin’ny Vondrona « J » misy azy, izay ahitana ihany koa an’i Tanzanie, Benin ary RDC.

Fermer