Songadim-baovaoSosialy
FANATSARANA NY FANABEAZANA: Mpianatra miisa 525 524 hisitraka fampisakafoana an-tsekoly
Ho fanavaozana sy fanatsaràna lehibe eo amin'ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara, sy hiadiana amin'ny fitsoahana an-daharana eny an-tsekoly dia hapetraka eny anivon’ny EPP amina Faritra 17 manerana ny Nosy, izay mitsinjara amina Distrika 43 ireo "cantines scolaires", na ny fampisakafoana ny mpianatra any an-tsekoly. Efa nisy ity tetikasa ity tamin’ny taon-dasa, saingy nitarina sy nampitomboina kosa tamin’ity taona ity mba ampitoviana lenta ny zaza malagasy rehetra.
Na eo aza ny fotodrafitrasam-pampianarana sy ny mpampianatra matihanina, rehefa ny mpianatra izay handray ny fampianarana no tsy misakafo ara-dalàna sy araka ny tokony ho izy, dia zava-poana ihany ireo. Ho antsika eto Madagasikara dia mbola isan’ny antony iray mahatonga ny fitsoahana an-daharan’ireo ankizy an-tsekoly io tsy fahampian-tsakafo io, noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Mbola mafimafy kokoa aza izany ho an’ireo mpiray tanindrazana any Atsimo vokatry ny haintany sy ny Kere. Noho izany indrindra no nahatonga ny Fitondram-panjakana ankehitriny nanao ho vaindohan-draharaha ny fametrahana ireo “cantines scolaires” na ny tetikasa fampisakafoana ny mpianatra eny anivon’ireo sekolim-panjakana.
Notanterahina omaly 6 oktobra 2021, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, araka izany, ny lanonana fanaovan-tsonia ho fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny « Programa nasionaly fampisakafoana an-tsekoly » na « cantines scolaires » manerana ny Nosy. Miroso hatrany araka izany ny fanatontosana ny velirano fahaefatra nataon’ny Filoha Andry Rajoelina dia ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fanomezana fampianarana sy fanabezana tsara kalitao ho an’ny zaza Malagasy, izay mifandraika ihany koa amin’ny tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra na ny « ODD » eo anivon’ny Firenena Mikambana.
Hampitomboina ho 18 miliara Ariary ny tetibola
Araka ny efa nambaran’ny Filoha Andry RAJOELINA dia omena sakafo avokoa ireo ankizy any am-pianarana, mba hazoto hianatra sy hampitombo ihany koa ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly ary indrindra hampitombo ny taham-pahombiazana eny anivon’ny sekoly. Marihana fa tsy vao izao no nanatanteraka izany ny Fitondram-panjakana Malagasy, satria raha ny tamin’ny taona 2020 fotsiny dia zaza miisa 100.000 mahery no efa nisitraka ny tetikasa nanerana ny Nosy. Mba tsy hisian’ny tombo sy hala kosa nefa dia misy ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka, ka hampitomboina ho 18 miliara Ariary ny tetibola manomboka amin’ity taom-pianarana ity, ary ho lasa 525 524 ny isan’ireo mpianatra hisitraka izany.
Omena tombony manokana ihany koa ireo mpianatra any Atsimon’ny Nosy, indrindra ny Faritra Androy sy Anosy, izay misedra sy miaina ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere ka hisitraka ity fampisakafoana an-tsekoly ity avokoa ny mpianatra rehetra any amin’ny EPP sy CEG ary Lisea any an-toerana, araka ny fanazavana hatrany.



