PolitikaSongadim-baovao

FARITRA VATOVAVY: Fotodrafitrasa maro no efa vita sy andalam-pahavitana ao amin’ny renivohi-paritra

Nanombohan’ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo delegasiona ny fitsidiham-paritra nataony tao amin’ny renivohitry ny Faritra Vatovavy ny fitokanana ny lalana « Pavé autobloquant » mirefy 1,200 km tao amin’ny fokontany Andovosira, Kaominina ambonivohitr’i Mananjary. Nambaran’ny Ben’ny tanànan’ity kaominina ity tamin’izany fa tamin’ny fametrahana ny Governoran’ny faritra Vatovavy Fitovinany teo aloha no nanatanterahana ity lalana ity tamin’ny alalan’ny tetibolam-panjakana. « Namaha olana ny vahoakan’i Mananjary tanteraka ny fahavitan’ity lalana « Pavé autobloquant » ity », hoy ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’i Mananjary. Nilaza kosa ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fandraisam-pirenena fohy nataony fa : « andro iray toa zato ny andro androany satria hanamarika ny fameranana ny hasin’ny faritra Vatovavy izay velirano natao ». « Hitondra fampandrosoana haingana ny fanatanterahana ny velirano, anisan’izany ny fanamboarana ny lalana eto an-tampon-tanàna. Napikaikaika ny vahoaka ity lalana ity ka miarahaba anao manokana Atoa Ben’ny tanana sy Atoa Governora teo aloha. Tsara ny manamarika fa Tsy misy distrika hadino intsony fa hamboarina sy havaozina avokoa ny lalana rehetra », hoy ny Filoha Rajoelina. Nisy ny dian-tongotra nataon’ny Filoha sy ireo manam-pahefana rehetra nanatrika ny lanonana ho fanamarihana ny fitokanana ity lalana vaovao ao Andovosira ity.

Kianja manarapenitra

Taorian’ny fitokanana ny lalana pavé dia nitsidika ny fanamboarana ny Kianja Manaram-penitra tao an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina. Fotodrafitrasa izay nampanantenainy ny vahoaka tao Mananjary izay efa vita hatrany amin’ny 95%. Rehefa vita tanteraka ity kianja ity dia ho avy indray isika hitokana azy, hoy ny Filoha. Fotodrafitsara ilain’ny tanora izy ity. Nohamafisiny fa tanteraka ny nofinofy ny fampanantenana ho an’ireo tanora satria dia manaraka ny fenitra tokoa no nanaovana ity kianja ity. Nilaza ny tenany fa manomboka ny faran’ny taona ho avy izao dia hisy ny « Coupe du Président » handraisan’ny faritra rehetra anjara ka hisy ny loka goavana homena amin’izany. « Ny mikipy ihany no tsy mahita sy jamba. Fa raha olona mbola mahiratra, raha olona mbola mahare dia mahafantatra fa miasa isika. Velom-bolo tanteraka ny tenako mahita izao fampandrosoana izao », hoy ihany izy.

Boulevard de L’Emergence (Boulevard Maritime )

Isan’ny fotodrafitrasa notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina ny lalana antsoina hoe Boulevard de L’Emergence. Tamin’ny fandalovany farany tany an-toerana dia isan’ny ratsy tokoa ity lalana ity. Manoloana izany dia nanome toromarika ny Minisitra tomponandraikitra ny tenany mba hanamboatra ity lalana ity satria mila marihina ny asa fampandrosoana. « Isaorana Atoa Minisitra fa tsara ny kalitao ary vita haingana ny asa. Manomboka izao dia hangataka amin’Atoa Ben’ny tanana isika amin’izao fametrahana ny faritra faha-23 mba hanovana azy ho Boulevard ny fampandrosana manomboka izao », hoy ny Filoha nandritra ny fitokanana ity lalana ity.

Fanombohana ny karatra E-karatra

Voasoritra ao anatin’ny Velirano faha-11 ny firosoana amin’ny fampiharana ny teknolojia maoderina eto Madagasikara. Ny karaman’ny Mpampianatra Fram no nampiharana an’izany teknolojia maoderina izany, izay nantsoina hoe : carte  » E-Karatra ». Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena sy ny Paositra malagasy izy ity. Omaly, araka izany, no lanonana ofisialy nentina nanombohana sy nanolorana an’izany amin’ireo Mpampianatra Fram ao anatin’ny fari-piadidian’ny fampianarana (Cisco) ao Mananjary miisa 496. « Ho fitsinjovana ireo Mpampianatra Fram, indrindra ireo lavitra ny Renivohitra mba hampihena ny fotoana lany amin’ny fandraisana karama no anton’izany », araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Ankoatra izay dia azo hakana vola eny amin’ny ivon-toerana fakana vola eny amin’ny paositra ity karatra ity ary azo ampiasaina eny amin’ireo Gab an’ny banky rehetra eto amintsika ihany koa. Hahazo someso (SMS) avokoa ireo mpampianatra rehetra mivoaka ny vola. Tsy handeha tsikelikely toy ny teo aloha intsony ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra fa hitovy daholo ny daty handraisana izany manerana an’i Madagasikara, raha ny fanazavana hatrany.

Fermer