Vaky Bantsilana
Ilaina ankamamiana hatrany ny maha malagasy
Mampiavaka ny Firenena iray amin’ny maha Firenena azy, ny fananany ny tany, ny teny, Tantara ary ny fomba amam-panao. Rehefa mitoetra amin’ny maha izy azy ireo, azo antoka ny Fandrosoan’ny Firenena iray. Diniho anie, fa matoa ny Firenena iray no lazaina fa matanjaka, dia efa ezahin’ny Firenena hafa, ny mampiasa ny teniny na ilay Firenena mihitsy no tonga manafika ny Firenena hafa, mba hanapariahana ny teniny. Ho antsika eto Madagasikara, aiza ho aiza ny fanajana sy fankamamiana ny maha malagasy, indrindra ny teny malagasy? Misy ireo miezaka ary mitandro toa ny anakandriamaso, ny fanajana ny teny malagasy, eo amin’ny sehatra maro iainany. Ny hafa kosa, sadasada manan-tsoratra, ka manao valalan’amboa, ny amin’ny maha malagasy sy ny tenin-drazany. Ny sasany indray, tsy tahotra tsy henatra fa manambany tsotra izao, ny amin’ny maha malagasy azy, kanefa dia Malagasy ray sy Malagasy reny. Tsy ho mora ny ady miandry amin’ny fametrahana ny maha izy azy ny maha malagasy…
Ny tsy azo ihodivirana, tsy misy Firenena iray ka tenin’olon-kafa no nampandroso azy, fa tsy maintsy ny tenin-drazany ihany. Ezaka lehibe ny fanabeazana ny kilonga amin’ny tenindreny, izay voaresaka matetika rehefa volana febroary. Ho an’ny teny malagasy, efa misy, ohatra, ny “Iray volan’ny teny malagasy” rehefa volana jona. Tsy ho ampy ireo, fa ilaina hatrany ny mankamamy ny maha malagasy, amin’ny fiainana ankobanandro…Eny mandavantaona mihitsy aza. Mifampiankina ny teny sy ny tena, izay hampitana fanilo amin’ireo zanaka amam-para. Ny tena, izay mandalo ihany eto an-tany, ary tsy maintsy mamela tantara, ny fomba nolovaina tamin’ireo Ntaolo, miampita amin’ny tena ary mbola holovain-jafy. Tsy misy honina mandrakizay eto amin’ity tany ity satria ny hazo misolo hazo, ny olona misolo olona. Ka ny tany tsy mangaihay, ny hazo tsy lany doladolan-drivotra, ary ny olombelona dia aina milevin’ila ka ny taho antitra no misitrika ho lovin’ny Fasana. Ny tsiry tanora singotry ny aina, mbola mandimby izay nolovain’ny teo aloha.
Saingy, raha ny toe-java-misy iainana amin’izao fotoana no atao dian-tana, ka tsinjovina ny aloha, ary jerena ny any afara. Mampanahy ny zava-miseho ao aoriana kely ao. Satria manomboka mihavery tsikelikely ny fomba amam-panao, mampiavaka ny maha malagasy. Diso manjaka sy nampanjakaina loatra ny kolontsain’ny vahiny. Manomboka very hasina ny fankamamian’ny Malagasy ny aina. Manginy fotsiny ny fahatongavan’ny valanaretina coronavirus, izay manimba tanteraka ny maha malagasy. Iray amin’ireny ny famangivangiana, izay mitady tsy hitoetra intsony. Ho sanatria ho tantara sisa ny filazana fa “izay mahavangivangy tian-kavana?” Tsy resahina intsony ny fampisaraham-bazana vokatry ny tsy fitoviana ara-politika. Mitombo izaitsizy ny fankahalana ny samy mpianakavy, ny mpiray monina, ny mpiray tanàna. Tsikaritra fa tsy vitsy ireo mifanaratsy an-toerana tahaka ny boka mitanin’andro. Raha tsy misy famerenan-kasina ny tena maha malagasy marina, hikorontana velona ny fiainam-piarahamonina.
Mila manovo an-doharano ny soatoavina maha malagasy isika, raha tiana ny hamerenana ny laoniny ny tena maha malagasy. Manan-javatra natahorana sy nohajainy ny Malagasy, toy ny fametrahana ny marina, ny rariny, hitsiny, ny fatahorana an’Andriamanitra, ny fanajana ny Razana, ny fanajana ny fady sy ny fametrahana ho zava-dehibe ny tsiny sy ny tody. Mbola hamafisin’i ED Andriamalala any amin’ny asa sorany any aza, manambara fa « tsy misy Firenena afaka hivelona tsy manan-javatra hajaina sy atahorana. Avy amin’io zavatra atahorana sy hajaina io no nahaterahan’ny Fitsipi-boninahitra teo amin’ny Tandrefana ». Raha vitantsika ny fanajana azy ireo, hirindra araka ny tokony ho izy ny fiainam-piarahamonina ary tsy ho sarotra ny miatrika ny Fampandrosoana, na mbola ao anatin’ny “Krizy ara-pahasalamana” aza isika. Mila atao latsaka anaty tahaka ny tsoka ny tena fankamamiana ny maha malagasy satria miteraka fahaiza-miaina sy lalàm-pifanajana.