Songadim-baovaoToekarena

FIARAHAMIASA TAMIN’NY AIR AUSTRAL : Tafakatra 72 tapitrisa dolara mahery ny trosan’ny Air Madagascar

Ao anatin’ny dinika ho fiomanana amin’ny fisokafan’ny sisintany dia misy ny fanadihadiana mandeha mahakasika ny Kaompaniam-pitaterana Air Madagascar, izay bokan-trosa tanteraka amin’izao fotoana, ary ilàna paikady fanarenana, araka ny tatitra. Raha ny fanambaran’ny Filoha nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpitantana eo anivon’ny Air Madagascar omaly, dia maro ireo famoaham-bola tsy voafehy tao amin’ity orinasam-panjakana ity. Noraisiny ho ohatra tamin’izany ny hofan’ny fiaramanidina ATR iray izay hofaina 65 000 dolara tamin’ny Air Austral. 180 000 Dolara kosa ny hofan’izany tamin’ny orinasa hafa. Eo koa ny famoaham-bola tamin’ny fitantanana izay tafakatra ambony dia ambony ihany koa. Mila drafitra maty paika mipetraka ny orinasa, araka ny fanazavana. Amin’izao fotoana izao dia misy trosa eo amin’ny 72 000 000 Dolara eo ny Air Madagascar, izay trosa tao anatin’ny nitantanan’ny Orinasa Air Austral niaraka tamin’ny Air Madagascar ny Kaompaniam-pitaterana, araka ny nambaran’ny Filoha hatrany. Izany hoe mibaby trosa betsaka ankehitriny ny Air Madagascar.

Maromaro ireo ezaka mila atao…

Manoloana ity toerana misy ny Air Madagascar ity, isan’ny vahaolana ny fanofakana ny sisintany izay hahafahana manome aina vao indray ny orinasa amin’ny alalan’ny fampihodinana ny Kaompania. Efa ho roa taona latsaka rahateo no nikatona tanteraka ny sisintanin’I Madagasikara ho fisorohana ny fidiran’ny aretina Covid-19 sy ireo karazana variant samihafa, nateraky ny fidiran’ny aretina. Na nifarana aza ny Hamehana ara-pahasalamana teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia mbola nijanona nikatona ny sisin-tany. Fikatonana izay nisy fiantraikany goavana teo amin’ny toekarem-pirenena, sy ny lafiny fizahantany, ka nitakian’ireo mpisehatra ny hanokafana aingana izany. Nilaza ny Filoha Andry Rajoelina fa efa amam-bolana ireo Minisitera voakasik’izany, indrindra ireo misahana ny fitaterana sy ny fizahantany, no efa nikaon-doha amin’ny fanomanana ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara indray. Isan’ny nojerena manokana tamin’izany ny momba ireo zotra tokony hiantsorohan’ny Air Madagascar amin’ny fiverenan’ny zotram-pitaterana an’habakabaka.

Taorian’ny fanadihadiana samihafa natao, noho izany, no namaritana ireo ezaka rehetra tokony hataon’ny Kaompania Air Madagascar, raha tonga ny fotoana hiverenana amin’ny asa indray. Isan’izany ny « opérationnalisation », ny « régularité » na ny fanarahan-dalàna, ny « fiabilité » na ny fahatokisana amin’ireo tolotra rehetra omena ny mpanjifa, ary indrindra ny « ponctualité » na ny fahamarinam-potoana izay anisan’ny notsindrian’ny Filoha manokana mihitsy, indrindra amin’ny andro sy ny ora iaingan’ny sidina rehetra. Ankoatra ireo, ezaka tsy maintsy hirosoana ny « Digitalisation » na ny fampiasana ny haitao ara-kajimirindra amin’ny fifaneraserana amin’ny Kaompania Air Madagascar. Tafiditra ao anatin’izany ny fahafahana mividy tapakila handraisana sidina amin’ny alalan’ny tranonkala na ny Internet, izany hoe, tsy voatery hifindra toerana.

Nomarihin’ny Filoha tamin’ity fotoana ity fa ny fanapahan-kevitra farany momba ny fisokafan’ny sisintany dia miainga eo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra irery ihany.

Fermer