PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FARITRA ANALAMANGA: Notokanan’ny Filoha ny toerana fialam-boly sy fitsangatsanganana “Analamanga Park”

Tafiditra ao anatin'ireo ezaka ho fanatsarana sy ho fampandrosoana ny Faritra tsirairay hoy Filoha Andry Rajoelina, ny fametrahana toerana tsara fialam-boly sy fitsangatsanganana, raha tonga nitokana tamin'ny fomba ofisialy ny fisokafan'ny "Analamanga Park" ny tenany, ny asabotsy 16 oktobra 2021.

Nasiam-panitarana sy nohavaozin’ny Faritra Analamanga tanteraka ny toeram-pitsangatsanganana malaza, Analamanga Park, izay efa maty tanteraka sy nikatona mihitsy teo aloha. Maro ny fotodrafitrasa vaovao natsangana sy fialam-boly azo tanterahina ao an-toerana. Anisan’izany ny kianja fanaovana fampisehoana, ny toeram-pisakafoana, ny efitra fandraisam-bahiny, ny kianja filalaovana baolina kitra, ny basket ary ny volley-ball, ny tokontany filalaovana tsipi-kanetibe, ny dobo filomanosana. Misy ihany koa ny toeram-pivarotana vokatra sy entana voafantina ary ny kilalao ho an’ny ankizy.

Niarahaba ary nisaotra manokana ny Governoran’ny Faritra Analamanga, Atoa Hery Rasoamaromaka ny Filoha Rajoelina tamin’izao fahavitan’ny asa fanatsarana ny “Analamanga Park” izao, ary nampirisika ireo Governoran’ny Faritra hafa ihany koa mba hanao asa tsara sy haingana. Mila miasa mafy ny Governora rehetra, hoy ny Filoha, ho fampandrosoana ny Faritra rehetra sy ny Firenena iray manontolo. Miasa aingana sy miasa mafy ary manasoa vahoaka, izao Fitondram-panjakana izao, hoy ny Filoha, ary raha mbola tsy resy ny fahantrana dia tsy hisy hahasakana ny fanatanterahina ny ezaka izay atao ho fampandrosoana ny Firenena hoy hatrany izy.

Hotantanan’ny Faritra Analamanga

Araka ny fanazavana dia ny eo anivon’ny Faritra ihany no fantatra fa hitantana ny toerana amin’izao fisokafana voalohany izao. Noho ny fahasahiranana taorian’ny fihibohana, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka, dia mbola sarotra ny hanomezana ny fitantanana ho an’ny tsy miankina satria manahirana ny mamaritra ny vola aloan’ny mpanjifa rehetra hiditra ao amin’ny Analamanga Park. “Raha atao mora dia maty antoka ny Fanjakana. Raha atao lafo dia maty ny mpandraharaha”, hoy izy. Na izany aza, efa ny tsy miankina no hisahana ny fampihodinana ireo toeram-pisakafoana rehetra ao Analamanga Park nanomboka tamin’ny fisokafany ny sabotsy teo.

Maherin’ny 2 miliara ariary ny tetibidin’ny asa fanarenana, raha ny fanazavana. Orinasa  malagasy 24 no nanao azy, nangarahara ny nanaovana ny tolobidy rehetra, ary tena manaraka ny fenitra, hoy hatrany ny Governora nanamafy. Raha ny fanazavana hatrany dia 10 000ariary no vidim-pidirana ao Analamanga Park.

Fermer