
Trangam-piaraha-monina
FIONDRANANA AN-TSOKOSOKO : Olona 17 tra-tehaka tany Ambanja
Olona 17 saika hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte no tra-tehaky ny Zandarimariam-pirenena ao Ambanja, afakomaly. Nahatratra 20 izy ireo no saika hiondrana, saingy tsy hita ny nanjavonan'ireo telo. Nahatratra hatrany 2.400.000 Ar ny vola naloan'ny tsirairay tamin'ireo mpiondrana. Karohina fatratra ireo tompon'ilay sambo haingam-pandeha...

Olona 17 saika hiondrana an-tsokosoko any Mayotte no saron’ny Zandarimariam-pirenena tany Ambanja, afakomaly. Raha ny angom-baovao, tao Ampasimbary Kaominina ambanivohitra Antafiambotry, distrikan’Ambanja, tany amin’ny faritra Ampasindava no nahitana ilay sambo haingam-pandeha, saika handehanan’ireto olona miisa 17. Niisa 20 ireto mpandeha saika hiondrana an-tsokosoko ireto, saingy ny telo tamin’izy ireo, tsy hita izay nanjavonany. Efa nanome vola 4 hetsy sy roa tapitrisa Ariary isaky ny olona, tamin’ireo mpitondra sambo haingam-pandeha. Efa azon’ireto mpitatitra an-tsokosoko ireto ny ankabeazan’ny vola. Raha ny fanadihadiana, 2.400.000 ariary ka hatramin’ny 300.000 Ar isan’olona no vola takin’ireo mpitondra sambo haingam-pandeha.

Ireo mpamily an’ity sambo ity sy ny mpanampiny antsoina hoe Wardo sy Jaonjara no tompon’antoka amin’izao fiondranana an-tsokosoko. Ireto farany, izay tafaporitsaka ary efa an-dalam-pikarohana. Vokatry ny vela-pandrika notontosain’ny zandary, izay notarihin’ny Luet Antrefinomenjanahary Solofo sy ny ekipany no nahazoana izao vokatra izao. Tiana ny manamarika fa olona avy Mahajanga, Nosy-Be, Antsiranana ary Faritra Sava ireto olona nikasa ho any Mayotte ireto. Efa nogiazana ilay sambo haingam-pandeha sy ny maoterany. Efa mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana azy ireo.




