PolitikaSongadim-baovao
FANABEAZANA, FAHASALAMANA, FIHARIANA, JIRO, … : « Mijery ny sosialim-bahoaka ny Fanjakana », hoy Razanamahasoa Christine
Tsy nitsitsy fitenenana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, omaly, raha niresaka mahakasika ny asa ataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Manao sesilany ny fitokanana fotodrafitrasa, hoy izy, manerana ny Nosy. Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny fiahiana ny sosialim-bahoaka. Asa izay inian’ny mpanakiana tsy jerena, ka nahatonga ity tomponandraikitra ity niantso ny hanatsaharana ny fanoherana bontolo.
Araka ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana, mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Antenimierampirenena, ny talata voalohan’ny volana mey no fivoriana ara-potoana voalohany, ary ny talata fahatelon’ny volana oktobra kosa ny fivoriana ara-potoana faharoa. Araka izany, nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fivorian’ny Solombavambahoaka etsy amin’ny Lapan’I Tsimbazaza. Nitarika izany ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine. Nandritra ny lahateniny no niresahana mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny, ary niarahabany ireo Minisitra vaovao izay vao notendrena ny 15 Aogisitra lasa teo. “Matoky izahay fa tsy handrarak’ilo mby an-doha amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ianareo amin’ny fanatanterahana ny Velirano, miaraka amin’ireo olomboafidy. Ny fahavononana no antoky ny fanatanterahana ny vinan’ny Filoha amin’ny fanovana ny tantara sy ny endrik’i Madgasikara. Efa fanatanterahana izany io asa goavana atao any atsimon’ny Nosy io”, hoy ny fanambarana.
Tsy mifantoka amin’ny fotodrafitrasa fotsiny
Nasiany resaka ihany koa ny momba ny tsy fandriampahalemana izay nahazo vahana tato ho ato. Fotoana izay nangatahana ny tsy tokony hanatsaharana mihitsy ireo hetsika fampandriana fahalemanana rehetra tokony handeha manerana ny Nosy. Betsaka ihany koa ny lozam-pifamoivoizana ankehitriny. Miantso ny fandraisana andraikitra bebe kokoa ataon’ny mpitandro filaminana, sy ny sampandraharaha misahana ny fitsarana fiarakodia, araka izany, ny tenany. Etsy ankilany, betsaka ny fotodrafitrasa vita. “Tanteraka tokoa ilay hoe tsy misy intsony distrika adino”, hoy izy. Mirarakompana koa anefa ny fanakianana, araka ny nambarany. Efa nolazaina hatrany anefa, hoy izy, fa amin’ny alalan’ny asa fanasoavana no hamaliana ireny fanenjehana ireny. Notsindriany fa tsy mifantoka fotsiny amin’ny fandrakofana fotodrafitrasa ny Fanjakana fa voajery koa ny sosialimbahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fampianarana, ny fahasalamana ary fanomezana tany sy trano ho an’ireo sahirana, fanomezana fitaovam-pamokarana ho an’ireo tantsaha, fampidirana jiro maimaimpoana ho an’ny tokantrano sahirana. Manampy an’ireo ny fahavitan’ny Sonia mametraka ny “Fonds d’urgence sanitaire nationale” eny amin’ireo hopitalim-panjakana.
Tsy tana intsony ny fampandrosoana
Nilaza, noho izany, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, fa tsy mitombina ireny fanakianana ireny raha jerena ny zava-bita sy ny mbola ho atao amin’ny taon-dasa. Ilaina ny fanakianana voahevitra sy matotra satria vao maika mampirisika ny Fanjakana hiroso lavitra, fa aleo ijanonana ny fanakianana be fahatany, araka ny fanazavana. “Izany no hanamafisana ny tenin’ny Filoha fa tsy manakana velively ny fananganana fotodrafitrasa ny fijerena ny sosialimbahoaka fa mifamatotra ireo. Izahay dia sahy milaza fa tsy tana intsony io fampandrosoana io, fa hiroso malaky, ary ho aingam-pandeha”, hoy hatrany izy.
Tsy miasa jamba rafozana ny Fitondrana tarihin’ny Filoha fa tsapan’ny vahoaka sy ny Antenimieram-pirenena tokoa ny antony hilana azy. Hampirisihana ny Filoha hanohy ezaka, satria ireny no vita dia noho ny fahaiza-mitantana ny tetibolam-panjakana, miampy ny fahamatoran’ny fiarahamiasa amin’ireo firenena namana sy ny mpiara-miombona antoka amintsika, hoy hatrany ny fanazavana.




