PolitikaSongadim-baovao
HOLAFITRY NY MPANAO GAZETY: Voafidy ho filoha vaovao Rasoloarison Monica
Tontosa hatramin’ny farany ny zotram-pifidianana. Namoaka ny vokatra ofisialin’ny fifidianana izay ho birao vaovaon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety ny Vaomiera itambarana nisahana ny fikarakarana ny fifidianana biraon’ny OJM, omaly. Nampahafantarina nandritra izany ny fahalanian’ny lisitra notarihin-dRasoloarison Monica ho birao vaovao. Andrasana, araka izany, ny famindram-pitantanana eo aminy sy ny Filoha teo aloha.
Araka ny vokatra ofisialy nampahafantarin’ny avy amin’ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana dia nahatratra 64,21% ny taham-pahavitrihana manerana ny Nosy nandritra ny fifidianana izay ho biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara(OJM), natao ny Sabotsy 16 Oktobra 2021 lasa teo. Tamin’ny ankapobeny, saika maherin’ny 50% avokoa ny taham-pandraisana anjara isam-paritra. Tao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana kosa no ambony indrindra izany satria dia nahatratra 100%, araka ny vokatra vonjimaika voaray. Ho an’ny teto Analamanga manokana, dia nahatratra 45% ireo tonga nifidy, izany hoe mpanao gazety miisa 300, niisa 292 ireo vato nanan-kery, 67 ireo vato fotsy, ary 8 ireo vato maty. Niisa 225 kosa ny vato azon’ny kandida Monica Rasoloarison teto Analamanga.
Teo anatrehan’ity vokatra ity, nilaza ny Filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety vaovao, Monica Rasoloarison, fa vonona ny hanatanteraka avy hatrany ireo vina efa nambara nandritra ny fampielezan-kevitra. Vonona ihany koa ny tenany sy ny ekipa miaraka aminy, hanohy ny fiarovana ny mpanao gazety amin’ny asany, sy ny fampanajana ny Etika sy ny Deontolojia eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety. Araka ny nambara dia asa voalohany indrindra miandry ny birao vao mijoro ankehitriny ny fifidianana izay ho Solontenan’ny Mpanao Gazety eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni.
Solontena ao amin’ny Ceni…
Mahakasika indrindra ity solontenan’ny mpanao gazety ho ao amin’ny Ceni ity, nitondra fanampim-panazavana omaly ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Fetra Rakotondrasoava. Nolazainy fa ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao dia mametraka “disposition transitoire” izay mamaritra fa miato amin’ny asany ny Biraon’ny Holafitra rehefa tapitra ny fepotoam-piasany. Samy milaza izany avokoa na ny lalàna teo aloha na ny lalàna manan-kery ankehitriny, hoy ny fanazavana. Ny taona 2017 no tapitra ny fepotoam-piasan’ny Biraon’ny OJM teo aloha, ary efa manana ny birao vaovao isika ankehitriny. Noho izany, ny manendry ny Solontenan’ny Mpanao gazety eo anivon’ny Ceni dia ny biraon’ny OJM vaovao.
Tsy mifanaraka amin’izay voalazan’ny lalàna, araka izany, ny fanendrena izay ho solontenan’ny mpanao gazety any amin’ny Ceni ataon’ny Biraon’ny OJM teo aloha, noho izany efa miala amin’ny fampandehanan-draharaha andavanandro. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Serasera fa ny fampandehanan-draharaha andavanandro dia tsy mamela intsony ny tomponandraikitra iray mbola handray fanapahan-kevitra mamatotra ny Holafitra an-taonany maro. Ekena, hoy izy, fa mbola nandray ny taratasy avy any amin’ny Ceni ny biraon’ny Ojm teo aloha, saingy raha ny tokony ho izy dia tsy izy ireo intsony no manao izany fanendrena izany fa miandry ny birao vaovao izay efa mijoro ankehitriny.
Eo anatrehan’izany, hisy ny fiantsoana fandraisana anjara ho ataon’ny Biraon’ny OJM ato ho ato ho an’izay mpanao gazety mazoto ho mpikamban’ny Ceni. Mifanindran-dalana amin’izany ny fampahafantarana ireo pitsopitsony rehetra mifandraika amin’ny fiantsoana.
Notsipahina ny Fitoriana roa napetraky ny mpanao gazety eo anivon’ny Cellule de crise, raha ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana omaly. Fitoriana roa izay nangataka ny fampiatoana ny fifidianana biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, ary ny fanafoanana mihitsy ity fifidianana ity. Milaza ny mbola hanohy ny hetsika hatrany ny eo anivon’ity vondrona mpanao gazety ity na teo aza iny fanapahana navoakan’ny Fitsarana iny.



