PolitikaSongadim-baovao
FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHO VAHINY SY IREO MPIARA-MIOMBONA ANTOKA: Mbola laharam-pahamehan’ny Filoha ny famahana ny olan’ny Kere any Atsimo
Nisy ny fihaonana teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miombona antoka ary ireo masoivoho vahiny omaly tetsy Iavoloha. Nitarika ny fihaonana ny Filoha Andry Rajoelina. Lohahevitra maromaro no voaresaka tamin’izany, saingy nifantohan’ny fandraisam-pitenenan’ny Filoham-pirenena kosa ny mahakasika ny ady amin’ny Kere any Atsimon’ny Nosy, izay niantsoany ny fiaraha-mientan’ny rehetra, indrindra ireo Masoivoho vahiny sy mpiara-miombona antoka nandray anjara tamin’ny fihaonana.
Lohahevitra telo lehibe no nifampiresahan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo Masoivoho Vahiny ary Mpiara-miombona ara-bola sy ara-teknikan’I Madagasikara, omaly, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny zava-misy any Atsimon’i Madagasikara, ny vaksiny iadiana amin’ny Covid-19 sy ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana.
Anisany nifantohan’ny Filoha Andry Rajoelina betsaka tamin’ny fandraisam-pitenenany ny fanamafisany ny fanarenana maika ny faritra Atsimon’i Madagasikara. Lohalaharana hahafahana manatratra izany ny ady amin’ny kere sy ny tsy fanjariantsakafo izay tsy nety foana an-taonany maro na efa maro aza ireo karazana fanampiana samihafa natao tany an-toerana. Vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro vao maika nihamafy ny fiatraikany izany amin’ny fiveloman’ny mponina, hoy ny Filoha. Tsy misy intsony ny rotsakorana efa tao anatin’ny roa taona izao ho an’ny faritra Atsimo ka tsy misy intsony ny famokarana azo atao any an-toerana. Voatery mitsoa-ponenana ihany koa ny mponina miala ny tsy fisiana. Vokatr’izany, lasa mirona amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy tafahoatra ny tontolo iainana ireo mponina mitsoa-ponenanana mba hivelomana, araka ny fanazavana. Tsy maintsy ilaina araka izany ny fandraisana andraikitry ny rehetra manoloana izany mba tsy hitarika amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana tanteraka izany.
Harindra ny fomba fiasa
Misy hatrany ny ezaka sy fanampiana nataon’ny mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara amin’ny zava-misy any atsimo saingy mbola tsy mety foana ny kere. Manao fanamby ny hanova tanteraka ny zava-misy any an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina. Fotoana izay nampahatsiahivan’ny Filoha ny fikaonan-doha lehibe natao tany Atsimon’ny Nosy, ny volana Jona lasa teo, izay nahitana ny fandraisana anjaran’ireo olom-boafidy isan-karazany. Teo anatrehan’izany, nametraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka ny Filoha Andry Rajoelina fa tokony harindra ny fomba fiasa mba hahazoana vokatra misy fiatraikany marina amin’ny fiainan’ny vahoaka sy hamonjena aina ny mponina. Maika, laharampahamehana ary miankina aman’aina ny fanavotana ny olona any Atsimo ho an’ny Filoha Andry Rajoelina. Paikady hahafahana manatratra izany ny fitarihina ny mponina any an-toerana hahaleo tena ara-pivelomana. Vahaolana maharitra ny fahaleovantena ara-pivelomana ka nametraka tetikasa goavana ny Fanjakana ho an’ny faritra Atsimo. Isany izany ny fanaovana laharam-pahamehana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fanomezana tany ivelomana sy masomboly ny olona any an-toerana.
Na izany aza, noresahin’ny Filoha manokana ihany koa ny momba ny vaksiny hiadiana amin’ny aretina Covid-19 izay tafiditra ao anatin’ny paikady ho amin’ny fiatrehana ny fanokafana manontolo ny sisintanin’i Madagasikara sy ny fandraisana ireo mpizahantany ary ny fiarovana ny mponina ato anatiny.




