Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO: Volamena 23,5Kg avy aty Madagasikara tra-tehaka tao Seychelles
Mirongatra ny trangana fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena amin’izao ankatoky ny fisokafan’ny sisin-tany izao. Taorian’ny vato sarobidy sy vola vahiny tra-tehaka tamin’ity herinandro ity, nisy indray fampitam-baovao avy amin’ny Fadintseranana malagasy omaly nilaza ny fahatrarana volamena milanja 23,5Kg avy aty Madagasikara, tao amin’ny Nosy Seychelles….
Ny 12 Oktobra 2021 lasa teo, nisy ny sambo niainga avy tao amin’ny seranantsambon’i Nosy Be nihazo an’i Seychelles. Teo am-piaingana, nisy ny fisavana nataon’ireo tomponandraikitra samihafa, nahitana ny avy amin’ny APFM na ny sampandraharaha misahana ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina, ny polisy mpiambina ny sisin-tany, ny zandarimariam-pirenena ary ny avy amin’ny Fadintseranana malagasy, araka ny lalàna manan-kery. Tao anatin’izany fisavana rehetra izany dia tsy nisy mihitsy olana, na tsy fanarahan-dalàna tsikaritra.
Na izany aza anefa, rehefa nandeha ny sambo, dia nisy ny fifamindrana olona sy entana nataon’ity sambo ity tamina sambo hafa teny afovoan’ny ranomasina. Fomba fanao izay voambara fa efa paikady fanaon’ireo olona manao fanondranana an-tsokosoko. Saingy noho ny tsy fahampiana fitaovana nahafahana nanao fanenjehana, dia ny fiantsoana ny manam-pahefana tany Seychelles no azon’ny teo anivon’ny Fadintseranana malagasy natao, mba hamerina fisavana fanindroany indray ilay sambo niainga tao Nosy Be. Araka izany, volamena milanja 23,5kg no tratra tao amin’ny sambo, izay efa nogiazana. Marihina fa tsy hita tany amin’ny fiaingana mihitsy ireo volamena ireo. Nisy ihany koa mpandeha miisa efatra izay tsy hita tany amin’ny fiaingana kanefa niaraka tamin’ilay sambo tany amin’ny fahatongavana.
Manoloana ity tranga ity, nampahatsiahy ny teo anivon’ny Fadintseranana malagasy, fa mbola voarara hatreto ny fanondranana volamena mankany ivelany. Raha ho an’ity tranga ity, noho izany, dia fanondranana an-tsokosoko no niseho, ary nisy koa ny hosoka sy fampiasana hosoka natao.
Fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana
Trangana fanondranana an-tsokosoko miisa telo, araka izany, no sarona tato anatin’ny herinandro monja. Omaly, nilaza ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa efa mandeha daholo ny fanadihadiana mahakasika ireny trangana fanondranana an-tsokosoko niseho ireny. Noresahany manokana ny mahakasika ilay vato sarobidy nokasaina haondrana an-tsokosoko tany Srilanka tamin’ity herinandro ity. Mipetraka, hoy izy, ny fanontaniana hoe “iza no nanome alalana ny Ethiopian Airlines ho tonga sy hivoaka malalaka an’I Madagasikara?”. Fotoana izay nampahatsiahivany ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana ny hametra ireo Kaompaniam-pitaterana afaka manao asa fitaterana mihazo an’I Madagasikara, amin’izao fiatombohan’ny fisokafan’ny sisin-tany izao. Misy, hoy izy, ireo Kaompaniam-pitaterana izay efa matetika hanaovan’ny olon-dratsy trafikana harem-pirenena hatrany. Tafiditra ao anatin’izany ny Ethiopian Airlines, izay tsy mbola tafiditra ao anatin’ireo afaka mitondra olona mihazo an’I Madagasikara, ao anatin’izao fisokafan’ny sisin-tany izao. Sarotiny amin’ny harem-pirenena ny Filoha, hoy izy, ka antony nandraisana ireny fanapahan-kevitra ireny.



