PolitikaSongadim-baovao

VOAHELOKA TAMINA FANODINKODINAM-BOLA: Nitsoaka any Eoropa ny Praiminisitra teo aloha, Jean Ravelonarivo

Mampametra-panontaniana ny rehetra hatrany ny mbola maha tafavoaka any ivelany an’ireo olona voaheloka amina raharaha mafana eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny faran’ny herinandro teo dia fantatra indray fa lasa nadositra any Eoropa ny Praiminisitra teo aloha, Jean Ravelonarivo. Ity farany izay voaheloka handoa lamandy sy dimy taona an-tranomaizina, noho ny raharaha firaisana tsikombakomba tamin’ny fanodinkodinam-bola mitentina 20 miliara ariary teo anivon’ny Cnaps.

Taorian’ny fitsoahan-dRabekoto Arizaka Raoul, Tale Jeneralin’ny Cnaps teo aloha, lasa any Suisse, izay voaheloka noho ny raharaha fanodikodinam-bola mitentina 20 miliara ariary tao amin’ny Cnaps dia fantatra ihany koa, araka ny vaovao navoakan’ny Mayotte 1ere, ny faran’ny herinandro, fa lasa nitsoaka an-tsokosoko nandeha sambo aingam-pandeha nakany Mayotte ary lasa nihazo an’i Paris sy Suisse i Jean Ravelonarivo, Praiministra teo aloha. Ity farany no anisan’ny mpiray tsikombakomba tamin’ny fanodikodinam-bola tao amin’ny Cnaps nandritra ny fotoana naha Praiministra azy tamin’ny Fitondran’i Hery Rajaonarimampianina niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Cnaps teo aloha Raoul Rabekoto.

Araka ny fanampim-panazavana dia ny 16 Oktobra ny tenany no niainga tao Nosy Be nihazo ny Nosy Mayotte. Ny zoma 22 Oktobra 2021 teo kosa izy niala tao Mayotte, ary nandray sidina nihazo an’I Paris. Ary araka ny angom-baovao dia any Suisse no toerana tena handehanan’ity Praiminisitra teo aloha ity. Raha tsiahivina, ny 27 Septambra teo no nivoaka ny didim-pitsarana tao amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly, izay nanasazy azy an-tranomaizina nandritra ny dimy taona sy nampandoa azy lamandy.  I Jean Ravelonarivo izay tsy hafa fa tompon’ny orinasa nomena ny tsena tamin’ny nanamboarana ny “complexe sportif” an’ny Cnaps Vontovorona. Araka ny fantatra dia 122 Miliara ariary no volan’ny Cnaps navoaka tamin’izany, ary nampandraiketana ny orinasan’I Jean Ravelonarivo  no nanamboarana ny kianja, miaraka amin’ny trano fandraisam-bahiny kintana 5 afaka mandray angidimby. Tsy nisy afatsy ny kianja anefa no vita, ary nanjavona ny vola.

Ho an-dRabekoto Arizala Raoul manokana, izay Filohan’ny Federasion’ny Baolina Kitra ankehitriny, dia efa nisy ny famoahana didy fampisamborana iraisampirenena navoaka, nanomboka ny 09 Septambra 2020.

Olona efa voaheloka mbola tafavoaka….

Araka izany, manao sesitany ny tenany any Suisse izy roalahy ireo, izay notoriana sy nenjehin’ny filankevim-pitantanan’ny Cnaps sy ireo mpikambana eo anivon’ny Cnaps tamin’ny fanodikodinam-bola amina miliara maro nisy tao amin’ity orinasa ity. Ny tena mampametra-panontaniana ny maro dia ny mbola maha tafavoaka hatrany ny olona efa voaheloka, toa azy ireo, eto amin’ny firenena. Misy gaboraraka ve ny fiambenana ny sisin-tany? Ho an’ny ao Nosy Be manokana dia efa trangana fanondranana sy fivoahana antsokosoko miisa roa izay no niainga avy tao an-toerana. Raha tsiahivina dia nisy ny volamena milanja 23,5kg nivoaka tao ny herinandro teo, izay tratra tatsy amin’ny nosy Seychelles. Teo koa ny fivoahan’ny praiminisitra teo aloha Ravelonarivo Jean, nefa olona nosazian’ny Fitsarana higadra an-tranomaizina. Mahagaga, noho izany, ny antony mbola naha tafavoaka an’ireo fiondranana an-tsokosoko ireo. Ny valin’ny fanadihadiana rehetra no hahafahana mamaritra ny ho valin’izay fanontaniana rehetra izany.

Fermer