PolitikaSongadim-baovao

CENI: Mpikambana vaovao miisa 6 amin’ireo 9 hotendrena no efa fantatra

Tapitra anio zoma 29 Oktobra 2021 ny fepotoam-piasan’ireo mpikambana tao amin’ny birao maharitry ny Ceni teo aloha. Hisy ny tatitra ho ataon’izy ireo amin’ity anio ity ho fanamarihana izany. Etsy ankilany, manomboka hita soritra ny mety ho endriky ny Ceni vaovao hitsangana manaraka eo, taorian’ireo fifidianana nataon’ireo rafitra manana anjara toerana eo anivon’izany Ceni izany. Olona miisa 6 amin’ireo 9 mandrafitra ny birao amin’izao fotoana no efa fantatra.

Fantatra taorian’ny latsa-bato izay nataon’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety fa Ralaisoavamanjaka Andriamarotafikatohanambahoaka, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanao gazety hoe Soava Andriamarotafika, no hisolontena ny mpanao gazety eo anivon’ny Ceni mandritra ny enin-taona manaraka.  Araka ny fanazavana dia vato miisa 30 no azony, tamin’ny mpifidy 47. 16 kosa ny vato azon’ny kandida Olivier Emile Rasamizatovo nifaninana taminy, ary 1 no azon’ny kandida Vavah Mandimbisoa Rakotoarivonjy. I Soava Andriamarotafika izay talen’ny famoahana eo anivon’ny fahitalavitra Viva ankehitriny.

Avy amin’ny Antenimieram-pirenena

Ho an’ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena kosa indray dia voafidy ho solontena ao amin’ny Ceni i Houssene Abdallah. Tsiahivina fa ny 26 oktobra 2021 lasa teo, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza no  nifidianana izay ho solontenan’ny Antenimierampirenena ao amin’ny Komitim-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na Ceni. Nandritra izany no nifidianan’ireo Solombavambahoaka miisa 118 tamin’ny 130 nandatsa-bato an’Andriamatoa Houssene Abdallah. Tsara ho fantatra fa niisa enina ireo nirotsaka hofidiana tamin’izany toerana izany, ka i Houssene Abdallah no voafidin’ny maro an’isa, tamin’ny salanisa 92,91%. Efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena ihany koa Andriamatoa Houssene Abdallah. Mpitsara misotro ronono izy ankehitriny ary efa Minisitry ny Fitsarana tamin’ny taona 1996-1997, Minisitry ny Jono tamin’ny 1997-2002, Solombavambahoaka voafidy tao Soalala tamin’ny taona 1997 sy tamin’ny taona 2014-2018 ary mpikambana teo aloha tao amin’ny Haute Cour de Justice avy amin’ny Antenimierampirenena.

Ho fantatra rahampitso…

Tetsy ankilany, na dia teo aza ny disadisa samhafa nisy teo amin’ny samy fiarahamonim-pirenena tao anatin’ity fanendrena izay ho mpikambana eo anivon’ny Ceni ity, dia tontosa soa aman-tsara ihany izany. Tafiditra ao anatin’ireo solontena avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ho ao amin’ny Ceni, noho izany, i Andoniaina Andriamalazaray izay tomponandraikitra teo anivon’ny KMF/CNOE, sy Ravalitera Jacques Michael. Ankoatra ireo, ny Maître Guy Jeannot no voafidy teo anivon’ny Holafitry ny Mpisolovava, raha toa ka i Tiana Ifanomezantsoa Randrianarivonantoanina no hisolontena ny Fitsarana Tampony.

Marihina fa ny sabotsy izao no ho fantatra izay hisolontena ny Antenimierandoholona noho ny fandaminana ny fandaharam-potoana. Andrasana manomboka amin’ity andro anio ity ihany koa ny fanendrena avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, sy ny avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Fermer