PolitikaSongadim-baovao

ANDRY RAJOELINA TAO SAMBAVA: “Hisy rafitra vaovao hifehy ny seha-pihariana lavanila”

Ankoatra ny fitokanana ireo fotodrafitrasa samihafa tao amin’ny Renivohitry ny Faritra Sava, nanamarika ny dian’ny Filoha Andry Rajoelina tao Sambava ihany koa, ny fihaonana tamin’ireo vahoaka izay niresahana indrindra ny olan’ny seha-pihariana lavanila any an-toerana. Niaiky ny Filoha fa nisy ny lesoka tamin’ny fanarahamaso izany teo aloha, ary ho ezahana hahitsy izany amin’ny taom-piotazana manaraka.

Fihaonana anisan’ny nandrasan’ny maro ny teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Vahoakan’i Sambava omaly, taorian’ireo resabe mahakasika ny vidin’ny lavanila izay tsy nipetraka araka ny tokony ho izy, tamin’ny taom-piotazana farany teo. « Mila mifampitsinjo isika. Ny foto-pivelomantsika Sava dia ny lavanila… Ny zava-misy anefa dia betsaka no manararaotra sy maka tombony mihoapapana ao anatin’izany sehatra izany. Manjary isika tantsaha no voa mafy ao anatin’izany », hoy ny Filoha. « Tsy ekentsika ny mpanararaotra ». Manomboka izao dia tsy maintsy misy fiatraikany any amin’ny tantsaha mpamboly lavanila ny vidin’ny lavanila, araka ny fanazavana. Notsindrian’ny Filoha fa matoa ny Fanjakana nametraka hoe tsy tokony ho latsaky ny 75.000 Ariary ny kilaon’ny lavanila manta handraisana izany any amin’ny tantsaha dia misy antony izany. Nahoana mbola misy mividy 20.000 Ariary/kg ihany ny mpanangom-bokatra?

Notsiahivin’ny Filoha tamin’ny vahoaka fa ireo tantsaha, ireo mpanangombokatra ary ireo mpanondrana no mpisehatra amin’io lavanila io. Ny mpanangom-bokatra sy ny mpanondrana mahazo tombony fa ny tantsaha anefa matiantoka. Raha vidiana 50.000 Ariary aza ny vidin’ny lavanila 1 kg manta dia ahazoana lavanila masaka mitentina 250.000 Ariary izany, hoy ny Filoha. Fa na amidy 400.000 Ariary aza io dia mahazo tombony foana ny mpanangom-bokatra.

Harahi-maso akaiky

Eo anatrehan’ireo rehetra ireo, hisy manomboka izao ny fankatoavana manokana omena ny mpanondrana. Tsy maintsy manao fanambarana ny lanjan’ny lavanila haondrany ny mpanondrana. Tsy maintsy mivarotra ambonin’ny 250 dollars izy. “Na latsak’izay aza tsy maninona satria efa mahazo tombony izy. Raha mivarotra 200 dollars aza izy efa mahazo tombony 100%”, hoy ny Filoha. Efa nisy koa ny nifanarahana niarahana (cahier de charge) tamin’ireo mpanondrana ireo. Ny mpanondrana rehetra dia tsy maintsy milaza ao anaty bokin’andraikitra na cahier de charge an’ireo mpanangom-bokatra miaraka aminy, ary tsy maintsy manao fanambarana fa hividy ny lavanila manta 75.000 Ariary ny kg na ambonin’izay any amin’ny tantsaha.

Novakian’ny Filoha bantsilana fa misy ireo mpanangom-bokatra no mividy lavanila 20 000 ariary ny kilao, kanefa 75 000 ariary no hanaovany fanambarana any amin’ny Minisiteran’ny Varotra. Eo anatrehan’izany, manomboka izao dia atao hentitra ny fanaraha-maso ny fividianana ny lavanila maitso sy masaka ary ny fanambarana ataon’ireo mpisehatra araka ny voalazan’ny “cahier de charge”. Etsy ankilany, matetika ireo mpanondrana dia tsy mampody ny vola vahiny vidin’ny lavanilan’izy ireo eto an-tanindrazana. Miteraka fatiantoka ho an’ny tantsaha sy ho an’ny Fitondram-panjakana izany, hoy ny Filoha. “Amin’ny taom-piotazana manaraka dia hanaramaso akaiky an’io ny tenako sy ny minisitra tomponandraikitra. Tsy hisy intsony izany lavanila maitso hovidiana latsaky ny 75.000 Ariary izany ny kilao », hentitra ny Filoha nanambara izany. Marihina fa hisy ny rafitra vaovao hifehy ny lavanila hiarahana midinika amin’ireo solotenan’ny mpamboly, mpanangom-bokatra sy ny mpandraharaha anio any Antalaha. Araka ny fantatra, omaly dia efa nisy ny fihaonana niarahan’ny ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, tamin’ireo solontenan’ireo mpisehatra amin’ny lavanila tao Sambava. Miainga amin’ny fijerena ny tombontsoan’ny mpamboly ny fahombiazan’ity sehatra ity hitondra tombontsoa ho an’ny firenena, araka ny nambaran’ny minisitra.

Fermer