PolitikaSongadim-baovaoToekarena

COP 26 ANY GLASGOW: Manamafy ny finiavana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana i Madagasikara

Nisokatra omaly 1 novambra 2021 hatramin'ny 12 novambra izao, any Glasgow, tanàna lehibe iray ao Écosse, ny COP26 na ny fivorian'ny Firenena Mikambana faha-26 mikasika ny toetrandro ary mandray anjara amin'izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, sy ny delegasiona malagasy izay tarihiny.

Mandray anjara amin’ny fihaonam-be ara-tontolo iainana tanterahana any Glasgow Ecosse ny delegasiona malagasy tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Isan’ny tazana amin’izao fivoriana lehibe izao ihany ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana maro izay nanao sonia ny fifanarahana lasitra na ny « convention-cadre » an’ny Firenena Mikambana mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro. Ity fivoriana faha-26 ity dia tarihin’ny Fanjakana britanika, ary i Atoa. Alok Sharma no Filoha mpitarika ny fivoriana, izay efa sekreteram-panjakana britanika nisahana ny Fandraharahana, ny Angovo ary ny Paikady ara-indostrialy.

Raha ny zava-misy dia ao anatin’ny hamehana tanteraka ny toe-draharaha ara-tontolo iainana ho an’i Madagasikara. Hihamafy sy haharitra ny haintany, araka ny vinavinan’ireo manam-pahaizana. Ankoatra izay dia efa maherin’ny 1,14 tapitrisa izao ireo olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara noho ny fiovaovan’ny toetrandro. I Madagasikara anefa dia voasokajy ho isan’ny ireo firenena tsy mpandoto indrindra, ary laharana faha 173 amin’ny 188 i Madagasikara amin’ny lafiny « empreinte éologoqique ». Ho an’ny COP26 manokana, mamerina ny fanoloran-tenany i Madagasikara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny firaisankina momba ny toetrandro.

Sehatra dimy iandrasana vokatra

Raha ny fanazavana, ity COP26 ity dia heverina fa ho fihaonana an-tampony natokana hanehoana ny finiavana handroso sy ny fanatanterahana ireo drafitra amin’ny ankapobeny. Ary tanjon’ ny fivoriana ny fihatsaran’ny toetrandro maneran-tany, miainga avy amin’ireo ezaka ataon’ny firenena tsirairay, izay efa voarakitra tao anatin’ny « Accord de Paris » farany. Kendrena manokana araka izany ny hahitana vokatra amina sehatra dimy mazava: ny eo amin’ny fahaizana miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro, ny tetibola natokana ho an’ny toetrandro, ny singa voajanahary sy ny natiora, ny angovo ary ny fitaterana. Vinavinaina ho 197 ny isan’ireo firenena handray anjara amin’izany COP26 izany ao amin’ny Scottish Event Campus ao Glasgow.

Famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara

Nandritra ny andro voalohan’ny fihaonana omaly, isan’ny nisongadina tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Filoha Andry Rajoelina ny mahakasika ny antony mahapotika ny ala eto Madagasikara. Notsindriany fa ny famadihana ny hazo ho arina fandrehitra no antony lehibe indrindra maharingana ny ala eto Madagasikara. Sosokevitra naroson’i Madagasikara ny firosoana amin’ny fampiasana ireo angovo madio toy ny éthanol hasolo ny arina fandrehitra. 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ilaina mba hahazoana manome fampitaovana ampiasana éthanol ho ana tokantrano Malagasy miisa 5 tapitrisa. « Afaka ny ho fitaratra amin’ny fampandrosoana maitso, ny fampandrosoana miaro ireo harena voajanahary, ary ny fahafahana miatrika irery ny fiovaovan’ny toetrandro i Afrika ary ao anatin’izany i Madagasikara. » hoy ny Filoha. Ilaina, araka izany, hoy hatrany izy ny famatsiam-bola ho an’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fanarahana ara-teknika isan-karazany ho fanohana ireo indostria maitso malagasy izay mikendry ny fikajiana ny tontolo iainana ary indrindra mba hahatrarantsika ny fanamby napetraka amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro.

Fermer