Songadim-baovaoToekarena

« BCMM » AO SAMBAVA: Hanamora ny fidiran’ireo mpitrandraka ao amin’ny sehatry ny ara-dalàna

Notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny zoma 29 Oktobra 2021 lasa teo ny Birao miadidy ny sora-pananana momba ny harena an-kibon’ny Tany na ny BCMM ao Sambava. Nanotrona izany ny Praiminisitra Ntsay Christian, izay sady Minisitra misahana vonjimaika ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika.

Manana ny maha izy azy ny Faritra Sava, raha amin’ny lafiny Harena an-kibon’ny tany. Ho an’i Vohémar manokana, malaza ho manana ny volamena, ny Varahana, ny Vato toy ny Quartz, ny Heladrano (Mica), ny Sphène ary Tourmaline ny ao Daraina. Milanoa sy Amboriala kosa dia fanta-daza amin’ny vato indostrialy toy ny Quartz, Tourmaline. Ho an’ny ao Andapa kosa indray, dia malaza amin’ny karazam-bato toy ny Quartz, Tourmaline ihany koa i Bealampona.

Tsara marihina fa manana seranan-tsambo manondrana any ivelany i Vohemar. Anisan’ny tombony ho an’ny Faritra Sava ny fisian’ny seranan-tsambo afaka manondrana entana any ivelany ao Vohemar io. Anisan’ny mampiditra ny vola ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ny tamberin-ketra avy amin’ireo mpitrandraka madinika sy ireo mpanondrana vato mankany ivelany ka ao amin’ny seranan’ny Vohemar avokoa no manatanteraka izany. Manoloana izany dia isan’ny antom-pisian’ny BCMM ao Sambava ny fanamorana ny fidiran’ireo mpitrandraka rehetra ao anatin’ny sehatra ara-dalana, fa indrindra hisintomana ireo mpitrandraka madinika hiroso amin’izany, mba ho tombontsoan’ny rehetra.

Ny firosoana amin’ny sehatry ny ara-dalàna rahateo no antoka hisian’ny fampandrosoana, tsy ho an’ny mpisehatra irery ihany, fa ho an’ny firenena iray manontolo mihitsy. Ny Filoham-pirenena rahateo nanamafy, nandritra ny lanonam-pitokanana ny herinandro teo, fa tokony hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara ny harena an-kibon’ny tany, ary fanombohana ny fampandrosoana miainga eny ifotony ny fametrahana ireo biraom-panjakana izay atao manerana ny faritra maro.

Mandray ireo fangatahana fahazoan-dalana hitrandraka

Tsara ho fantatra fa ny Birao miadidy ny sora-pananana momba ny Harena an-kibon-tany eto Madagasikara na Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM) izay natsangana ao Sambava – Faritra Sava dia toy ny BCMM rehetra manerana ny Nosy. Izy no hisahana ny fandraharana ara-panjakana izany sehatry ny harena an-kibon-tany izany. Anisan’ireo biraom-paritry ny BCMM miisa roa ambin’ny folo (12) hita manerana ny Nosy ity notokanana tany Sambava ity, ankoatra ny BCMM foibe izay eny amin’ny Mining Business Center Ivato Antananarivo.

Antom-pisiana sy ny andraikitra fototry ny BCMM dia ny fanomezana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon-tany mandra-pahatonga ny fe-potoana mahafoana azy, izay ao anatin’ny fangaraharana tanteraka. Ny BCMM ihany koa no mandray ireo fangatahana fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon-tany (Permis miniers) sy ny fahazoan-dalana feno amin’ny famandrihana faritra hitrandrahana na AERP (Autorisation Exclusive de Réservation de Périmètres miniers) manome ny Titres miniers.

Fanjakana manakaiky vahoaka

Amin’ny ankapobeny, tafiditra tanteraka anatin’ny filamatra Fanjakana manakaiky vahoaka izay imasoan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika izao fananganana ny BCMM Sambava izao. Fotodrafitrasa izay handray rahateo ihany koa ny Fitaleavam-paritry ny Ministera ho an’ny Faritra Sava. Manakaiky vahoaka, satria teo aloha dia voatery mihazo an’Antsiranana ny mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany hanao ny antontan-taratasy rehetra ka zary miteraka hakiviana, eny, sakana ho azy ireo izany.

Fermer